TONGA SAINA IHANY ANGAHA ?

Tonga saina ihany angaha ny mpampihomehy eto an-tanàna,
Ka mba efa nampitandrina ireo mpiteniteny foana?
Hadino angaha ny hatsikan-dratsy izay mifono hadalana,
Sa natao ririnin-dasa ka nodiana tsy tsaroana?

Hita ho faly ery ‘nareo nampihorika an’ireo mpijery,
Saingy, indrisy, ny olon-kendry, velon-tsento raha nitazana.
Tamin’ireny anie tsarovy, maro no niteny irery:
“Izany ve no zavakanto entina mba hanabeazana?”

Saingy ny “olona malaza”, angaha dia mety mihaino teny,
Fa toa ny azy hatrany hatrany no derainy ho tena mety !
Ary indreo fa maka tahaka sy manohy ny hagegeny
Ireo tanora vao misandratra , mba maniry ny ho “vedety”!

Soa fa tonga saina ihany ny mpanao hatsikan-dratsy,
(Fa ny adala no tsy miova sy tsy mihaino fananarana).
Enga anie ny fampihomehezana hisy tsirony atsy ho atsy.
Tsy hirefarefa intsony fa mba hisy fivoarana!

TSIMIMALO (10-10-20)