Lalànan’ny harena ankibon’ny tany – Miketrika fanavaozana ankinafinafina ny fanjakana

Ny Valosoa

Araka ny vaovao voaray, miketrika fanavaozana ankinafinafina ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany amin’izao fotoana ny fitondram-panjkana, amin’ny alalan’ny ministera misahana izany. Izao fanavaozana antsokosoko izao dia kendreny hivoaka alohan’ny volana desambra 2020. Ao anatin’izany, ny 20% amin’ny vokatra amin’ity sehatry ny harena ankibon’ny tany ity dia voalaza fa ho an’ny Fanjakana. Mitady hampandany amin’ny fomba amboletra ny io laalàna na « code minier » io indray ny fitondrana Rajoelina, rehefa tsy nahomby izany tetika izany tamin’ny volana novambra 2019.

Tadiavina ampakarina ny « redevance minière » amin’ny alalan’ity fanovana « code minier » ity, izay 2% teo aloha, ka kendreny ho lasa 8%, mahakasika ny vatosoa. Ary atao ho an’ny fanjakana ny hahazo hatramin’ny 20% amin’ny akoranafo voatrandraka. Eto dia tsy misy tahaka ny mahazatra ny fifampidinihana amin’ny mpandraharaha amin’ity sehatra ara-toekarena ity, fa resaka ankinafinafina sy fandaniana amboletra indray no tsinjo. Ary ireo fianakaviana sy orinasa mivelona amin’ny fitrandrahana akora sy vatosoa indray avy eo no hiatrika fahasarotana.