Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina – Manao fahirano ny asa fanaovan-gazety, hoy ny OJM

Ny filohan’ny OJM, Gérard Rakotonirina

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, misy ny fanambarana avy amin’ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), tandindonin-doza ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika hoy izy ireo:
Tsy takona afenina intsony ankehitriny ny fikasàn’ny fanjakana, avy amin’ny alàlan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK), ny hanao fahirano ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Voakasik’izany ny fanomezana karatra maha-matihanina ny mpanao gazety satria dia novainy hatramin’ny lalàna momba izany.

1. Raha toa ka mbola nitory teny anivon’ny Filan-kevim-panjakana ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), satria tsy nanaja ny didim-pitondrana lah. 24-931 tamin’ny 04 novambra 2019, izay nosoniavin-dRamatoa Ministra ny fametrahana ny vaomiera iraisana mpanome karatra ny mpanao gazety matihanina dia nivoaka hanan-kery ny lalàna 2020-006, nanova ny andininy sasany tamin’ny lalàna teo aloha 2016-029 ankehitriny, ary dia nataon’ny MSK izay nanovàna avy hatrany ny andinin-dalàna mahakasika ny OJM.
Tsy nifanarahana tany amin’ny fakan-kevitra natao isam-paritany nanomboka ny 18 martsa 2019, hatramin’ny aogositra 2019 anefa io fanovana « nasisiky ny ministera tao anaty lalàna io ». Ohatra amin’izany ny andininy faha-203 ao amin’ny « fepetra tetezamita » amin’ilay lalàna vaovao (2020-006) momba ny serasera, izay milaza fa « tapitra ny asan’ny OJM rehefa tapitra ny fe-potoana niasany ».
Ekena ny fahataperan’ny fe-potoana ary tsy misy midongy amin’io toerana io rahateo, fa araka ny nifanarahana hatrizay sy tao amin’ny lalàna teo aloha kosa, dia ny OJM no tompon’antoka amin’ny fametrahana ny kômisiôna manome karatra, izay hahafahana miroso amin’ny fifidianana sy handaniana ny birao vaovao.
Raha ity lalàna vaovao ity dia tsy afa-mikitika sy manara-maso io kômisiôna io intsony ny OJM izany, satria nesorin’ny MSK izany fahefany izany. Dia aza gaga isika raha mety hahazo karatra mpanao gazety avokoa atsy ho atsy ny « olon’ny minisitera », na dia tsy mahafeno fepetra sy tsy misehatra eo anivon’izany aza. Nanakiana mafy izany anefa ity ministra ankehitriny ity, ary anisan’ireo nidongy sy nandrahona mihitsy ny mpanao gazety niara-dia taminy tsy hanao fangatahana ny karatra ho an’ny mpanao gazety matihanina nivoaka tamin’ny 2018 farany teo.

Fiverenana anaty jadona
2. Isika izany izao no firenena voalohany eto ambonin’ny tany, ka milaza fa firenena demokratika sy mandàla ny fahalalahana maneho hevitra, ary koa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety kanefa ny Fanjakana no manome karatra ho an’ny mpanao gazety. Ny MSK no mahafantatra izay mpanao gazety ary koa misafidy izay tiany homena ny karatra. Endrika fiverenana tanteraka any anatin’ny jadona izany, satria ny asa fanaovan-gazety dia asa malalaka, masina ary hery faha-efatra izay tsy tokony hofehezin’ny politikam-panjakana, indrindra ho an’ny firenena mandala ny fenitra demokratika.

3. Novaina koa ny firafitry ny biraon’ny OJM izay hofidiana manaraka eo ao amin’ny « and.55 vaovao ». Natao lisitra tokana izay misy filoha iray, filoha lefitra 22, mpanolotsaina 22 ary mpisolo toerana azy ireo avy. Izany hoe raha hirotsaka ho filohan’ny OJM ny mpanao gazety iray dia tsy maintsy manana mpanao gazety mpiray lisitra aminy miisa 88 manerana ny Nosy, vao afaka mirotsaka hofidiana. Tsiahivina fa ny OJM dia « ordre professionnel » izay mandrindra, miaro ary mampiroboroboro ny asa fanaovan-gazety no antom-pisiany. Mitovy firafitra amin’ireo sehatr’asa hafa manana holafitra izy, toy ny mpitsabo, ny mpisolovava, ny vadin-tany, sns… ary tsy nisy na iray tamin’ireo sehatr’asa ireo aza manana firafitra, ka olona efa ho «zato» no ao anatin’ny birao mitarika azy. Ny an’ny mpanao gazety, satria manohintohina ny Minisitra ny fisiany, dia noraisiny ho toy ny fikambanana pôlitika ny OJM ary hatao izay hamehezana azy tanteraka ho eo ambany vahohon’ny fanjakana ny fitantànana azy manaraka eo.

4. Nanome tànana hatrany ny OJM tamin’ny fandrafetana ny lalàna vaovao, kanefa rehefa nisy ny tsy fifanarahana, momba io fanomezana karatra io, dia nakisaka amin’izay, ary novaina ny lalàna mifehy ny serasera ary tsy mba nakàna hevitra sy nampahafantarina izay nokitihina tao ny OJM. Kinanjo andinin-dalàna mamono tanteraka io rafitra io no nivoaka tao ary dradradraina etsy sy eroa ankehitriny fa ny OJM no sakana amin’ny tsy fahavitan’ny karatra ho an’ny mpanao gazety. Ny OJM anefa dia tsy nitady afa-tsy ny fanarahan-dalàna.
Koa manoloana izany rehetra izany dia nisafidy am-pahendrena ny hisintaka tanteraka amin’io fanamboarana karatra maha-matihanina ny mpanao gazety io ny mpikamban’ny OJM, ary dia avela malalaka ny Fanjakana avy amin’ny MSK ny hanatontosa izany, arak’izay faniriany hatramin’ny nahazoan’ny ministra ankehitriny ny toerana.

Ny teny farany ary hisintonanay ny sain’ny mpanao gazety mpiara-miasa, ny firaisamonim-pirenena ary ny fikambanana rehetra izay mandàla ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra : TANDIDONIN-DOZA tompoko ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, hoy ny Birao ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.

(Sary: Ny filohan’ny OJM, Gérard Rakotonirina)