Fankalazana ny 14 oktobra – Be no tsy mankasitraka, Repoblika voafatotra no natolotra teto

Radafy

Manahirana ny sain’ny maro ny fieritreretana, ny amin’ny hanamarihana na hamerenana ny fanomezan-danja ny andron’ny 14 Oktobra eto amin’ny firenena. Misy mihitsy olom-pirenena no tsy mankasitraka io andro io hankalazaina toy ny fetim-pirenena. Rehefa itodihana ny tantara, dia ny 14 Oktobra 1958 no nilazana fa mijoro ny Repoblika Malagasy. Tao anaty fifidianana izay nataon’ireo Antenimieram-Paritany eran’ny Nosy nivory teto Antananarivo, izay niisa 234, dia ny 208 no nanaiky ary 26 no tsy nilaza ny heviny. Ny hifidy ny sata ho an’i Madagasikara no nolaniana tamin’ny fifidianana, ka lany ny hoe “Madagasikara dia Repoblika ao amin’ny Firaisambe Frantsay”. Ary ny ampitson’io vao nanambara ny mpitondra mpanjanatany frantsay teto Madagasikara, fa ekeny tokoa ny fiorenan’ny Repoblika Malagasy sy foana ny Lalàna tamin’ny 6 Aogositra 1896 nanaovana an’i Madagasikara ho zanatany frantsay.

Rehefa dinihina lalina io tantara io, dia Repoblika mbola voafatopatotra io Repoblika nijoro io satria tsy afa-miàla amin’ny Frantsa. Miendrika noterena na voatery ho anaty firaisambe frantsay i Madagasikara. Tena izay ve no fanirian’ny Malagasy rehetra tamin’izany? Tsia, satria eo aloha ny olona avy amin’ny Antenimieram-Paritany, izay solontenam-bahoaka ihany no nifidy io sata hafahafa io. Hita ihany koa fa nisy tamin’ireo solontena ireo aza no tsy nilaza ny heviny, na dia maro an’isa aza no nandany ilay sata. Misy antony izany fa tsy mandehandeha ho azy.

Fa raha mitodika amin’ny zava-nisy iraisam-pirenena ihany koa, dia na tsy tiany aza dia tsy maintsy namotsotra an’i Madagasikara ny fitondrana mpanjanatany frantsay. Iaraha-mahalala ny fahavoazany tamin’ny ady lehibe sy ny faneren’ireo firenen-dehibe roa tamin’izany ary mpikambana teo anivon’ny Firenena Mikambana (ONU) mbamin’ny fitakian’ireo firenena voazanaka teo aloha, fa efa nahazo fahaleovantena nivory tao Bandung – Indonézia (1955) sy tany Belgrade (1961). Nisy ireo toe-javatra ireo, nanery an’i Frantsa hamotsotra tsy fidiny an’i Madagasikara, dia porofon’izany ny filalaovany ny fotoana nanomezana ny fahaleovantena. Mahavariana anie, raha ny taona 1958 no nijoro ny Repoblika, any amin’ny Jona 1960 vao nambara ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Mazava loatra fa nomena tsy sazoka ny Repoblika sy ny fahaleovantenan’ity firenena ity. Ary raha nomeny aza, dia mbola nofatorany tao anaty Firaisambe, izay misy ambadika politika maloto izany, raha araka ny tantara ihany. Misy ilay fitenenana hoe “ Kadoa misy poizina” ny fanomezana ny sata Repoblikanina io. Dia iaraha-mahita tsara izany ankehitriny.

Mazava loatra, fa rariny raha toa ka maro ny olom-pirenena no tsy miraika amin’izany andron’ny 14 OKtobra izany, ary mahasorena azy raha hankalazaina satria fantany ny tantara sy ny zava-misy marina. Ny tsy mahafantatra ny tantara ihany, na ny minia mikimpy noho ny antony maro samihafa no mora miroboka ao anatin’izany sy manome lanja io daty io. Ireo saribakolin’ny Frantsay toy ny filoha Rajoelina amin’izao fotoana izao, no mankasitraka indray ny hankalazana izany fanehoan’ny Frantsay ny fanjanahany an’i Madagasikara amin’ny endriny vaovao sy maoderina izany aza amin’izao fotoana.