EDITO 13 Oktobra – Fitondrana Rajoelina – Tsy mahasitrana ny maharary ny vahoaka sy ny firenena

Sôh’son

Marary ny fiaraha-monina amin’izao fotoana izao. Mianjady eo anivony avokoa ireo olana maro samihafa izay ny ankamaroany tsy nitranga taona maro tany aloha tany. Miseho eo amin’ny sehatra ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy izany, izany hoe voadona avokoa ny lafiny rehetra, izay midika fa tafiditra anaty haizina mangitsokitsoka ny firenena, ary sarotra ny hivoahany amin’izany. Tsy vitan’ny vava sy teny tsara lahatra eny ambony birao, na an-dampihazo, na eny ambody hazo io.

Ny manahirana ny saina, dia ny fifotorana amin’ny tena tokony ho vaindohan-draharaha andrasan’ny vahoaka fatratra tsy laharam-pahamehan’ny fitondrana. Miharihary tsara izany amin’ny zava-mitranga manerana ny Nosy mihitsy. Ohatra, ny fanesorana ny mpivarotra tany atsimo mba hanorenana fotodrafitr’asa iray lehibe. Tena vahaolana ve izany? Mazava loatra, fa tsy maika izany, raha miohatra amin’ny olan’ireo olona voailika ireo. Eto an-drenivohitra sy ny manodidina ankehitriny dia misy olam-bahoaka inian’ny fitondrana ikimpiana fotsiny izao. Iray lehibe amin’izany ny tsy fivakian’ny fitondrana loha akory amin’ireo olona na fianakaviana na tokantrano tsy nisitraka na indray mandeha akory aza ny fanampiana nozaraina tao anatin’izao krizy ara-pahasalamana izao, izay krizy nivimbina ny fahasahiranana ara-tsosialy mahery vaika. Ireo olona ireo anefa marefo tena mila fanampiana sy fanohanana tanteraka, fa dia nojerem-potsiny tsy nasian-teny, tsy nahitana fihetsika na kely akory aza avy amin’ny fitondrana, izay miseho ho mahavita be eto amin’ity firenena ity. Miendrika fampizarazarana vahoaka, sy kaomina na faritra izany, izay mampahatsiahy politika maloto nataon’ny mpanjanatany fahiny teto amin’ny firenena. Misy omena tombon-dahiny, misy tsy topaza-maso, fa avela hanavo-tena eo manao izay ahatafavoahany amin’ny fiainana.

Misy ampahana vahoaka marary eto ary manaintaina azy mafy ny olana mianjady aminy. Ohatra mazava amin’izany ny fifandrombahana mitranga raha vao misy tombontsoa miseho eo anivom-piarahamonina na anivom-pîtondrana; ny fitaintainan-davan’ny vahoaka na andro na alina, sy ny sisa maro samihafa. Ny fanafody entin’ny fitondrana anefa dia zara raha mandaitra, mba tsy ilazana hoe tsy misy fiantraikany akory, kanefa niseho hitsabo sy hahavita irery. Marary ny firenena amin’ireo geja mafy mahazo azy iniana atao, izay hita ho miha-mafy aza izany ankehitriny. Sarotra anefa ny fandidiana ho an’ny mpitondra satria nataony an-tsirambina ny fitaovam-panafahana entiny hatramin’izao. Tsy manana vahaolana maika sy hentitra ary mahomby amin’izany ny fitondrana, fa somokotra amin’ny “famonoan’afo” lava izao. Tsy atao hahagaga raha toa ka nilaza ny mpanao politika sady mpamakafaka ny raharaham-pirenena iray, fa hoe ”maizina ny ho avin’ny firenena”.