13 oktobra 2014 – 13 oktobra 2020 – 6 taona katroka ny niverenan-dRavalo indray teto Madagasikara

Helisoa

Feno 6 taona katroka androany 13 oktobra 2020 ny daty niverenan’ny filoha Marc Ravalomanana indray teto an-tanindrazana, rehefa avy nanao sesitany ny tenany izy sy ny fianakaviany ny taona 2009, noho ny fisian’ny fanonganam-panjakàna tamin-kery teto Madagasikara notarihin’ny filohan’ny mpanongam-panjakana, Andry Rajoelina, filohampirenena ankehitriny sy ny forongony. Vao niala teto izy ny 17 martsa 2009 dia lasa tany Swaziland, nandritra ny herinandro teo izy no tany Mbabane. Avy eo vao nankany Afrika Atsimo, ary nandritra ny 5 taona katroka izy no nanao sesitany ny tenany tany, mandrapahatongan’ny datin’ny 13 oktobra 20 14, niverenany indray an-tanindrazana io.

Nanana ny toerana nisy azy ny filoha Marc Ravalomanana tany Afrika Atsimo amin’ny maha filohampirenena teo aloha azy. Najaina sady tsy nisy ny naha ory azy ary nanana ny naha izy azy teo amin’ny fiainany andavanandro, saingy noho ny fitiavany ny tanindrazany dia nody teto Madagasikara ny tenany, na fantany aza fa sarotra ny zavatra mety hihàtra aminy raha vao migadona eto an-toerana.

Vao naheno siosio tamin’ireo olona akaiky ny filoha Marc Ravalomanana ny marainan’ny 13 oktobra 2014 ireo mpomba azy, fa hoe efa eto Madagasikara i Dada dia maro ireo tsy nino izany satria dia tamin’ny fomba tsy takatry ny saina eritreretina no nahatongavany teto amin’ny firenena tamin’io, izay mbola tsy fantatra hatramin’izao hanoratana izao izany. Indroa rahateo koa izy no nahazo NOTAM, tsy navela hiditra teto an-tanindrazany, na zon’ny olom-pirenena tsirairay azan y mody eto amin’ny fireneny dia tsy navelan’ny mpitondra tamin’izany niditra teto izy. Teo no mbola nahatonga ireo mpomba an’i Dada tsy tena nino ny fahatongavany tamin’ny voalohany. Na izany na tsy izany, dibo-kafaliana ireo Malagasy maro izay nitolona nitaky ny hiverenan’i Dada eto an-tanindrazana satria tafahoana indray tamin’io fotoana manan-tantara io.

Nandritra izany, hita soritra teny amin’ny endriky ny filoha Ravalomanana ny harerahana ara-batana teo am-pahatongavany, ny volombava tsy voaala intsony. Saingy rehefa nahita ireo vahoaka marobe tonga teny Faravohitra izy dia niova ho hafaliana tanteraka izany: “faly aho tena faly” no teny nivoaka ny vavany , sy ny hoe “Dada ihany ity e!” niaraka tamin’ny fisaorana an’Andriamanitra.

Nandalo fotoan-tsarotra ny filoha Marc Ravalomanana taorian’izay na dia noheverina aza fa tokony ho efa hilamina ny momba azy satria voasoratra ao anaty tondrozotra ny fiverenany eto Madagasikara, saingy indrisy, fotoana fohy taorian’ny nahatongavany teto Madagasikara io dia nisy ireo nisambotra azy ary nalefa notazonina tao anatin’ny fotoana maromaro tany Antsiranana ny tenany fa hoe ‘niditra antsokosoko’ teto Madagasikara.

Teny nivoaka ny vavan’ny rehetra tonga teny Faravohitra ny teny hoe “tena tia tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana, liona be mitady harapaka no miandry azy eto Madagasikara , nefa dia tsy nahoany izany noho ny eritreritra tonga ao an-tsainy hamonjy ny fireneny. Ny faramparan’ny volana desambra 2014 izy vao afaka niverina teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra, saingy mbola tsy nalalaka tamin’izay fotoana izay.

Vita ny fampihavanam-pirenena notarihan’ny FFKM teny amin’ny CCI Ivato ny faramparan’ny volana aprily, sy ny fiandohan’ny volana mey 2015, vao tena nalalaka sy afaka mivezivezy manerana ny Nosy amin’izay i Dada. Vavolombelon’ny tantara tamin’izany rehetra izany ihany koa ny gazety Ny Valosoa Vaovao.