HO VOLON-DAORANJY DAHOLO

Ho volon-daoranjy daholo ato ho ato
Ny zava-drehetra manaitra ny maso,
Satria dia miroso amin’izany, tsy miato,
Ny ekipan’ny jirika sy ny malaso.

Na trano na fiara eny hatramin’ny tamboho
Dia lokoina laoranjy fa hoe hohatsaraina.
Ny sasany moa efa hatramin’ny hoho
Ka dia miaiky tanteraka ny manan-tsaina!

Ny akanjon’ny mpianatra ho any am-pianarana,
Hanjary laoranjy manaitra jerena,
Satria dia mitohy sy tsy mety mifarana
Ny hevi-bontolo sy ny hagegena.

Ny trano fivoahana koa dia inoana
Fa hiova ho volon-daoranjy madera,
Satria izay no tena andaniana fotoana
Mba hoenti-midehaka ny mihoerahoera.

Dia hiitatra hatramin’ny fasana angamba
No hanara-penitra sy tena hiavaka,
Ka dia hahiratra hatramin’ny jamba
Fa volon-daoranjy no hoenti-mandravaka.

…Ireo soa sy tsara tsy manan-tsahala
Dia notakalozana ny an’ny vendrana.
Avia ry olon-kendry, ento re ny fanala,
Areheto ny jiro fa mipendrampendrana!

DADAN’i ZINA (04-10-20)