Filoha Marc Ravalomanana – Rain’ny « kits scolaires »

Ravalomanana sy ny 'kits scolaires'

Helisoa

Nitondra avo ny fanabeazana teto amin’ny firenena ny Filoha Marc Ravalomanana, izy no azo lazaina fa Rain’ny « kits scolaires » teto amin’ny firenena. Tsy nanao ambanin-javatra ny lafiny fampianarana sy fanabeazana teto amin’ny firenena ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny fotoana nitantanany ny firenena.

Noezahany tamin’izany ny tsy hampisy elanelana be loatra teo amin’ny ankizy mpianatra tao amin’ny sekoly tsy miankina sy ny miankina amin’ny fanjakàna. Ka tao anatin’izany no nizaràn’ny fitondràna Ravalomanana kitapo mitovy mateza mitovy loko ampiasain’ny mpianatra mandritra ny taona maro. Aron’akanjo na tablier nitovy.

Nandritra izany, tsy nandoa sara-pisoratan’anarana ireo mpianatra amin’ny EPP. Tamin’ny sekoly tsy miankina indray, nisy fandraisan’anjaran’ny fanjakàna nampihena ny vola naloan’ny ray amandreny, mba hanalàna fahasahiranana azy ireo.

Tsy vitan’izany fa nanomboka teo dia nitsiry tao an-tsain’ny filoha Marc Ravalomanana ny hanabe voho ny lafiny fanabeazana teto amin’ny firenena, nampihofanina ireo mpampianatra hampiakarana ny tahan’ny fampianarana ary nomena fitaovana ahafahana mamita ny asany izy ireo tamin’izany.

Ireo mpianatra tamin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakàna EPP nanerana an’i Madagasikara dia notolorana kits scolaire tsirairay sy aron’akanjo mitovy avokoa. Hatramin’izao fitondràna TGV izao dia mbola hita eny amin’ny ankizy mpianatra ao amin’ny EPP hatrany ny aron’akanjo nozarainy ireny, na efa 10 taona mahery aza no tsy teo amin’ny fitondràna ny filoha Marc Ravalomanana.

Tamin’ny fitondrany, niakatra be tokoa ny tahan’ny ankizy niditra an-tsekoly, efa tafakatra nihoatra ny 80%. Nidina be anefa izany ankehitriny, nihena be tokoa ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly amin’izao fotoana, satria tsy misy intsony izay risika omen’ny fitondrana ny mpianatra, sy ny ray aman-dreny ary ny mpampianatra izay.

Ahatsiarovana an’i Dada izao fotoana anombohana ny taom-pianarana izao amin’ny fanomezana fitaovam-pianarana isan-karazany ny mpianatra, sy ny fanampiana ny ray aman-dreny ihany koa ho fanamaivanana azy ireo ny vesatra amin’ny fampidirana mpianatra mianatra izay. Hafa ihany tokoa i Dada!