Toamasina – Depiote Hanitra sy Fidèle – Naneho ny marina momba ny fanapotehana ny orinasa TIKO Toamasina

(Audio)

(Video)

Ny Valosoa

Nisy ny fandaharana manokana nalefa tamin’ny haino aman-jery samihafa, natao tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Vahiny tamin’izany fandaharana izany ny depiote Me Hanitra voafidy tao amin’ny Boriboritany I Antananarivo, sy ny depiote Fidèle Razara Pierre, voafidy avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ihany koa, avy any Ambatondrazaka, nanentana ny fandaharana kosa ny mpanao gazety, ministra teo aloha: Andrianjato. Ny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana no voaresaka tamin’izany, anisany ny mahakasika ny fifidianana loholona sy fandravana tsy ara-drariny nataon’ny fitondrana, ny orinasa TIKO ao amin’ny seranantsambon’i Tomasina.

Nanao vaky bantsilana niaraka tamin’ny mponina ao Toamasina ny solombavambahaoaka Me Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Razara Pierre nandritra ny fotoana. Lohahevitra roa no nisongadina tamin’izany, dia ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fiheverana mikasika ny fifidianana loholona, ary koa ny mikasika ny fandravana ny fotodrafitra TIKO, ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina.

Efa nampahalalan’ny komitin’ny parlemantera tarihan’i Fidèle Razara Pierre, fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona amin’ny volana desambra izy ireo, ary tsy hanolotra olona ho fidiana. Taitra indray ny fitondrana, ka namaky takotra, ary dia nanaonao foana. Solombavambahoaka avy amin’ny faritany Fianarantsoa no ampidirina ao amin’ny lisitra fifidianana loholona avy amin’ny faritany Toliara. Ampidirina ao amin’ny faritany Toliary angaha Ihosy? Dia tsy misy olona mihitsy ve ny distrika ao amin’ny faritany Toliara? Hoy i Del Kely. Mbola misy ny fitoriana napetraka, izay ho hita eo indray ny vokany. Vonona hatrany ny komitin’ny parlemantera hamerina ny tany tan-dalàna. Dia ho hita eo ny tohiny.

Ankoatra izany, miverina amin’ny taona 2009 ny tantara amin’izao fotoana izao, noho ny fanaparam-pahefana miampy herisetra ataon’ny fitondrana ankehitriny. Noheverina hilamina ny raharaha politika tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra famahana ny krizy tany Addis- Abeba, kanefa dia mifoha indray ny fota-mandry noho ny fandravana tanteraka ny fananan’ny orinasa malagasy TIKO, tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina.

Voamarina hatrany fa olona tsy mitazona ny teniny nomeny ny filoha Andry Rajoelina. Sady tsy ‘homme d’Etat’, no tsy mieritreritra ny hanonitra ireo niharan’ny fandravana sy fandrobana tamin’ny 2009, izay efa voalazan’ny tondro zotra.

Efa tsy ny olona nandroba sy namotika no mandoa ny onitra, fa ny fanjakana, izany hoe vola: 30% an’ny fanjakana, 70% an’ny vondrona iraisampirenena. Efa vonona ny vondrona iraisampirenena hanatanteraka ny anjara andraikiny. Saingy ny fitondrana ankehitriny no tsy mety miroso amin’ny famoahana ny didy hitsivolana.

Raha iverenana ny tantara dia indroa miantoana ny fandrobàna ny orinasa TIKO tamin’ny taona 2009. Nisy ny fandrobàna nandritra ny hetsi-bahoaka tamin’ny ‘lundi noir’ (26/01/2009). Nisy koa ny fandrobàna faharoa dia nandritra ny fahefana tetezamita notarihan’i Andry Rajoelina, izay nananganana ny ‘cellule opérationnelle’. Natsangana io rafitra io nandrobana ny entana fananan’ny TIKO tao anatin’ny seranantsambo. Tsy nisy hetsi-bahoaka intsony tamin’izany, fa dia fandrobana manara-penitra. Mpitsara no nitantana io rafitra io, tao amin’ny Faritany no nitoby, mandray ny baiko hamoahana entana avy ao amin’ny seranantsambo, toy ny lafarina, vary, menaka ary siramamy. Nahazo tamin’ireo entana ireo na olontsotra, na fikambanana, na orinasa, na rafi-panjakana. Mipetraka ny ahiahy na dia nolazaina fa narotsaka tao anatin’ny kitapombolam-panjakana ny vola. 30 t raha kely indrindra no azon’ny mpividy iray, ary mahatratra hatramin’ny 1000 t. Ohatra tranga iray ny 27 mey 2009, nahitàna taratasy misoratra amin’ny filoha lefitry ny HAT izay nampamoaka vary 450 t, kanefa tsy nisy izany filoha lefitra tetezamita izany; Praiministra no nisy fa tsy filoha lefitra. Vary hatramin’ny 75.000 t no norobàna tao, ankoatra ny menaka, lafarina, siramamy. Andriamatoa Naina, voalaza fa tanan-kavanan’i Edgar Razafindravahy dia nampanjavona indray nipimaso ny lafarina rehetra tao.

Ankehitriny dia nampiasaina ny orinasa Colas handrava tanteraka ny fotodrafitrasa rehetra tavela, ary kasaina homena vahiny ny toerana. Nisy anefa ny fifanarahana teo amin’ny seranantsambon’i Toamasina sy ny orinasa TIKO tamin’ny taona 1995, izay natao hihàtra mandritra ny 25 taona. Misy koa ny rafitra natao hitsara sy hanelanelana, Centre d’Arbitrage et de Médiation (CAM), raha toa ka misy ny tsy fifanarahana. Saingy ambaratonga tsy narahin’ny fitondrana izany, fa fitsarana tsy mahefa no nampiasaina hamoaka didim-pitsarana. Natao mihitsy izay hamotehana malagasy iray, izay manao ny ainy tsy ho zavatra hanangana orinasa matanjaka. Fantatra anefa fa misy ny orinasa vahiny manana olana toy ny MCT: Mauritius Container Terminal, izay tsy sahy kitihana.

Fantatry ny fitondrana ankehitriny ny fahalemen’ny tale jeneralin’ny seranantsambo ary ampiasainy hanatanteraka ny hevi-dratsiny. Fantatra ohatra fa ampiasaina ny fanagejana ny taniny any amin’ny faritra any. Izany antsojay izany dia ampy tsy hahasahiany mijoro manohitra izay baiko midina. Dia ho hita eo koa ny tohiny.