Fitetezam-paritra – Velona sy miaina ny antoko TIM

Ny Valosoa

Toamasina indray no hampiantrano ny fanetsiketsehana (redynamisation) ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) nanomboka omaly Zoma 9 Oktobra, hitohy anio Sabotsy 10 Oktobra ary hifarana ny alahady 11Oktobra , fanamby efa nataon’ireo mpitarika tamin’ny fihaonambe notanterahina tetsy amin’ny Andy By-pass tamin’ny volana Febroary lasa teo ny hitety an’i Madagasikara, fihaonambe teo ambany fitarihan’ny Filoha Marc Ravalomanana filoha amperin’asan’ny antoko, sady filoha mpanorina, notronin’ireo mpitarika. Ny distrikan’Andramasina no nisantarana ny hetsika dia izao nidina any amin’ny faritra Atsinanana izao indray.

“ Tim for ever ” sy “ Team dynamique “ no filamatra amin’izany, raha adika malalaka dia manao hoe; “ Tim mandrakizay ” sy “ ekipa mihetsiketsika “ ny mpikatroka TIM, fa tsy manafoana ireo teny filamatra nahafantarana ny Antoko Tim toy ny hoe: “ Tonga miaraka no fanombohana “, “ Miasa miaraka no fahombiazana” akory ireo teny filamatra vaovao ireo.

Ny fanamby dia ny hamerina ny laza sy ny lanjan’ny Antoko Tiako i Madagasikara amin’ny toerana nisy azy teo aloha, marihana fa tsy maty mihitsy ny antoko na dia teo aza ny antsojay samihafa nihàtra tamin’ny Filoha mpanorina sy ny fitondrana notarihany, vao mainka aza mitombo ny fitiavana ny Filoha Ravalomanana, satria mahatsiaro ho voafitaka ny vahoaka malagasy sady tafalatsaka lalim-paka tany ampon’ny olompirenena ny fahatsapana ny soa vitan’ny Filoha Ravalomanana teto amin’ny tanindrazantsika, porofon’izany ny vokatra azo tamin’ny fifidianana nisy teto amintsika, izay nahatsapana fa na teo aza ny hosoka sy ny tsy ara-dalàna ary ny ramatahora tamin’ny fifidianana nisesy teto amintsika, dia tsy nampitsanga-menatra ny vokatra azon’ny TIM, ka mbola mampijoro ireo mpitarika hatramin’izao.

Ny tany amin’ny faritra no tena niharitra ny mafy ireo mpikatroka Tiako i Madagasikara , izany indrindra no antony anaovana indray ny fitetezam-paritra tarihan’ny birao politika, ahitana ny Sekretera Jeneraly Tahiry Ny Rina Randriamasinoro, ny tompon’andraikitra ao amin’ny lafiny politika, Me Hanitra Razafimanantsoa Solombavambahoaka, ny tompon’andraikitra eo amin’ny lafiny serasera, ny Solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre ary ny mpandrindra nasionaly Jean Claude, ary otronin’ireo olomboafidy Tiako i Madagasikara any an-toerana.

Ampahafantarina ireo vahoaka manerana an’i Madagasikara fa antoko mpanohitra ny TIM, manao ny asa fanoherana ao anatin’ny fanajana lalàna sy ny fitandroana ny fihavanana ary ny fandalana ny fahamarinana, izany rahateo no fomba fanaovana politika takian’ny fivoarana iraisampirenena.

Fa ny tena goavana sy asa-sarotra atrehina dia ny famerenana ny fifampitokisana sy ny fanesorana ny tahotra mianjady amin’ireo mpikambana sy ireo te hanatevin-daharana ny antoko, ilana fahasahiana lehibe sy fahaiza-mandresy lahatra goavana izany, satria mampiasa ny fomba rehetra hanakiviana ny olompirenena te-hivoatra ireo nahazo fahefana tsy an-drariny, tsy ferana ihany koa fa misy ireo mpikatroka TIM efa niova lasy noho ny tahotra na antony hafa toy ny fitiavankely sy ny tsy mahari-boankena sns… Ho vahana mivantana eny ifotony avokoa izany rehetra izany, ary tsy ho sarotra ny fanaovana izany satria ny fitiavan-tanindrazana no mibaiko.

Raisina an-tanan-droa ireo mpikambana efa nisintaka sy efa nifindra lasy, kanefa na izany aza dia tsy maintsy vonona hanaraka ny fitsipika mifehy ny Antoko TIM, izay hentitra amin’ny fifampifehezana izy ireo. F’ireo mpikatroka vaovao izay sambany vao hirotsaka ho TIM dia misokatra midanadana ho azy ireo ny varavarana, ny TIM rahateo amin’ny maha antoko Velona sy Miaina azy dia miroso hatrany amin’ny fanomanana ireo mpandimby.

Ny antoko TIM dia mpikambana ao amin’ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, ny Tim no antoko mpanohitra goavana indrindra ao, tsy mifanipaka ny asan’ny TIM sy ny RMDM, ny Filoha Ravalomanana rahateo no filoha voafidin’ireo antoko maro mandrafitra ny RMDM ho mpitarika.

Antoko tan-dalàna ny TIM , izany indrindra no mahatonga ireo Loholona sy Solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny TIM ho mpikambana ao amin’ny “ Collectif des parlémentaires”, izay manohitra ny fifidianana loholona tsy mifanaraka amin’ny lalàna sy atao amboletra , miara-miasa akaiky ary mpikambana mavitrika ao amin’ny Vondrona Panorama, izay sahy mijoro sy mamaky bantsilana ny tsy rariny mihàtra eto amin’ny firenena ihany koa ny Antoko TIM, noho izay antony izay no mahatonga ny fiarahan’ny TIM sy ny Vondrona Panorama any Toamasina mandritra ny faran’ity herinandro ity.

Ankoatran’ny fifampiresahana mivantana amin’ny vahoaka ataon’ireo mpitarika politika vonon-kanova ireo, dia hiavaka ny fiarahana satria faranana amin’ny fandaharana goavana, handeha mivantana amin’ny haino aman-jery samihafa manerana ny nosy amin’ny Alahady alina 11 Oktobra izany, fandaharana hahitana an’i Me Hanitra Razafimanantsoa sy ny Depiote Fidèle Razara Pierre ary ny Ministra niadidy ny serasera teo aloha Andrianjato Vonison.

Ho fehiny dia tsotra ny ambara, Antoko Velona sy Miaina ny Antoko Tiako i Madagasikara tarihan’ny Filoha RAVALOMANANA, ka atahorana mafy raha vao mihetsika.