Filoha Ravalomanana – Fitaratra amin’ny fanamboaran-dalana

Isambilo

Hatramin’izay teto amin’ny firenena dia azo lazaina fa ny Filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara), sady filoha nasionalin’ny antoko TIM ( Tiako i Madagasikara), no filamatra raha fanamboaran-dalana no resahana. « Tohizo ny lalantsika », io no teny filamatra ho azy sy ny antoko Tiako i Madagasikara, raha izay resaka làlan-drà mampifandray ny firenena izay no resahana. Araka ny tatitra navoakan’ny mpamatsy vola mahazatra dia ny Banky Iraisam-pirenena, nahatratra hatramin’ny 9000 km ny lalana vita nandritra ny fitondrany, io no anisan’ny lalana vita lava indrindra teto amin’ny firenena nandritra izay 60 taona nahazoana ny fahaleovantena izay.

Ny sasany ankehitriny dia Rajoelina sy ny forongony vao resy lahatra, fa azo hanina ny lalana, ka manao fanamby mihitsy fa tsy hanao politika intsony raha tsy vitany ny lalana Ihosy-Fort Dauphin. Izany dia ahitana fa filamatra sy fitaratra i Dada nanao sy manao laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalana. Ny fahavitan’ny lalana dia mampifandray ny Malagasy rehetra, izy no filoha mametraka ho laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fampihavanam-pirenena: rehefa mifandray sy mifanerasera ny olona, tokony handeha ho azy izay fampiraisana ny Malagasy ao anatin’ny fahasamihafana izay.

Tamin’ny fitondrany no nanao izay hahavitana tara ny lalana Antananarivo-Antsiranana. Nandrakotra tara ny lalana Sambava-Antalaha. Nahavitana tara ihany koa an’Antananarivo hatrany Toliara, namita “goudron” ny lalana teo an-tampon’Ihorombe, izay lalan-tany nampijaly nandritra ny taona maro,… Maro ny lalana efa noketrehin’ny fitondrany, saingy nosomparan’ireo mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina, izay mpamotika firenena izany rehetra izany. Ohatra iray tamin’ny fitondran’i Dada koa ny fahavitan’ny lalana, tsy hoe vita fotsiny, fa tena vita tsara. Tsy misy tsy mitaraina amin’ny fahasimban’ny lalana eto an-drenivohitra amin’izao fotoana.

Kalitaona lalana vitan’ny fitondrana Ravalomanana ny etsy Anosy-Ambohidahy manoloana ny Kolejy Masina Misely, efa firy taona io no vita, mbola tsy ahitana hatramin’izao na lavaka iray aza. Izany koa dia ilazana fa tena fitaratra sy filamatra amin’ny fanamboaran-dalana ny Filoha Marc Ravalomanana.