Filoha Rajoelina – Efa miha-tsy mino ny fampanantenany ny maro

Helisoa

Raha noraofina amin’ny sobika angamba ny fampanantenana nataon’ny filohampirenena Andry Rajoelina, ho an’ny vahoaka Malagasy nanomboka ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakàna izay notarihiny dia efa nahafeno kamiao be angamba.

Vao nitranga ny fanonganam-panjakana nataony nandrodanana ny filoha Marc Ravalomanana nanomboka teo Ambohijatovo, dia nalentiky ny ben’ny Tanàna Andry Rajoelina tao an-dohan’ireo mpanara-dia azy ny teny hoe tany tsy misy demokrasia eto Madagasikara, fa didy jadona no misy. Noho izany hanangana kianjan’ny demokrasia isika, ka fotoana fohy taorian’izany dia Andry Rajoelina mihintsy no nisisika nitokana io kianja io teo Ambohijatovo. Nony azony tamin-kery anefa ny fitondràna dia ny namafa ilay kianjan’ny demokrasia no nataon’ity farany voalohany.

Mpanao gazety miisa 10 mahery no nogadraina afa tsy ireo olontsotra sy mpanao politika mpanelingelina azy, mba hitazonany ny fahefana teo am-pelatanany. Fampanantenana maro ireo nataony teny amin’ny kianjan’ny 13 mey: vary mora, menaka mora, fiainana mora, sns… Indray mimpy maso ihany anefa dia tsy hita intsony ireny fampanantenana ireny.

Niroso ny volana sy ny taona; nandeha ny fifidianana filohan’ny repoblika ny taona 2018, tonga ny kandida Rajoelina Andry tamin’izany, nitondra ilay programan’asany IEM. Natao nanakoako eran’i Madagasikara izany, fa hoe tena hitondra fijery vaovao eto amin’ny firenena ity IEM ity. Kinanjo nony tonga teo amin’ny fitondràna ny loko volomboasary, inona no teo fa ilay IEM aza tsy fantatra intsony, fa toa nasitrika any anaty vata mipetra-potsiny any. Tao anaty fampielezan-kevitra: bulding mora, Miami, Paris, tanàna vaovao, sns… Izay nampilendalenda ny marivo salosana, hita ve izany ankehitriny?

Rehefa tonga teo amin’ny fitondràna ny filoha Andry Rajoelina, filoha napetraky ny HCC, tsy misy lamina mazava ny hitondràny ny firenena araka ny fampanantenana natao, fa lasa andrakandrana sy izay mampifalifaly vahoaka fotsiny sisa no atao (populisme), vao tsy ela, fa amin’izao hamehana ara-pahasalamana, izay rohitina tsy misy farany izao, mba hanagejàna ireo haino aman-jery handefasana izay tian’ny mpitondra atao. Covid 19 no nifanarahana alefa amin’ny haino aman-jery isankarazany, nefa ny mpitondra manao propagandy ny tenany no andaniana ny ampaham-potoana lava, ny Covid 19 zara raha resahana fa ny eo ihany no miverimberina.

Ilay karinem-pokotany nodradradradraina fa ho soloina vaovao amin’ny herinandro isak’izay miteny, aiza izany ankehitriny? efa ho firy volana izay? Ny marina araka ny nambaran’ny olompirenena maro dia anafenana ny tsy fahombiaza na tamin’ny fizarana vatsy amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, no hitenenana izany, fa tsy ho tanteraka na oviana na oviana akory.

Tratry ny tsy fahampian-tsakafo kere ny any Atsimo amin’izao, ary efa misy ny ankizy maty izay miisa 8 nandeha tamin’ny tambazotran-tserasera. Nahita izany ny mpitondra vao mody nikoropaka, ka ny filoha Rajoelina Andry mihintsy no nandeha tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Raha ny hita aloha dia ny fihetsiketsehana ivelany toy ny mahazatra ity fitondràna ity ihany no niseho tamin’ireo fahitalavitra. Tao anatin’izany no nilazan’i Andry Rajoelina, ka nanararaotany nangalàna ny fon’ny olona indray, fa hoe hamboarina ny RN13, ary tsy hanao politika intsony izy raha tsy vitany izany. Fantany tsara anefa fa tamin’ny andron’ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia efa nipetrapetraka, fa ho amboarina io lalampirenena izay mampikaikaika ny mponina io, niarahana tamin’ny mpamatsy vola. Raha tsy nisy koa ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, efa vitan’ny fitondràna Ravalomanana io lalana io.

Ankehitriny midehaka indray ny volomboasary fa ho vitany io RN13 io, ary manao fanamby amin’izany ny tenany fa tsy hanao politika intsony raha tsy vitany io. Tsy mba nambarany akory fa fanohizana ny raharaham-panjakàna anie io ataony io raha tena ho tanteraka e! Ny olona anefa tsy adala fa efa matanjaka izao ny serasera, fa tsy hisy ampiesonina amin’ny haino amanjerim-panjakàna intsony eo.

Raha tarafina amin’ireo zavatra voatanisa teo ambony, izay mbola sombintsombiny ihany aza dia mbola hisy hatoky ity fitondràna ity amin’ny fampandriana adrisa izay ataony ihany ve ny vahoaka Malagasy ? Soa fa Hendry ny Malagasy hatreto, fa raha tsy izany efa asa izay niseho teto.