SAKABE VE ?

Isika aza mihaino an’izay sakabe
‘Zay malaza fa sefon’ny mpanao bontolo,
Fa izy efa zatra mpamadika anie
Ary tena talentany ny miova volo.

Tsy hita mazava izay hoe asa vitany,
Nefa dia sahiny hifampitsarana.
Izay misy ny “kabaka” ihany no hitany,
Eo no ibodoany fa toera-mafana.

Ny zava-tsy vitany, maro dia maro,
Kanefa dia sahiny hodian-tsy jerena.
Mba teny amin’ny “avo”, natao mba ho “aro”
Kinanjo dia “henatry ny firenena”!

Ka ‘zay sakabe, aza mihaino azy intsony
Fa io ilay “fikìtra mampiady ny angely”.
Anarany nanana toerana ambony
Fa miaraka adala amin’izay boaikely!

TSIMIMALO (05-10-20)