Raharaham-pirenena – Lahiantitra miaro diso tafahoatra ny tsy ara-dalàna

Ny Valosoa

Miala amin’Ingahy “Filoha “avokoa ireo mpanao politika mijery lavitra, satria tsy hita taratra intsony ny asa mahafiloha azy, fa miverina amin’ny mahakandida azy izy, kandida satria mbola fampielezankevitra no ataony, fanatsarana endrika ny tenany sy fanaratsiana izay mpifaninana heverina ho goavana, ireo mpanao politika mbola manana ny hoaviny toy ireo nanambatra ny heriny teny amin’ny Hotel Panorama dia mazava ny hevitra ijoroan’izy ireo, fa tsy manaiky velively ny fanamparampahefana sy ny tsy fanarahan-dalàna, fa ireo “Zokiolona” tsy manana hoavy politika intsony sy tsy mahay miaina, tsy mahafantatra izay tokony hataony amin’ny fanarahan-dalàna sisa miaro an-jambany ny fitondrana efa tsy mahomby.

Azon’inona sa nahazo inona? ireto lahiantitra no dia miaro be fahatany tsy tahotra tsy henatra ny efa hita mibaribary fa diso.

Ingahy Rakotomanana Honoré, dia miaka-pofona mihitsy manizingizina fa ara-dalàna hono ilay fifidianana loholona, dia lasa ny eritreritra satria miverina ao an-tsaina ny fandaharana fanaony tao amin’ny Radiompirenena fahiny momba ny didy aman-dalàna, ankehitriny dia izy no fatra-piaro sy mpanosihosy ny lalàna velona eto amin’ny firenena, tsy nisy ny fampiharana izay notanisainy tao amin’ny onjampeo ary ny tena loza dia ohatry ny nodisoiny tanteraka izay noventesiny fahiny. Fa nahitana an’Ingahy Rakotomanana Honoré avokoa ny fitondrana nifandimby teto, Arema nafana fo izy, kanefa niaraka tamin’ny Filoha Ravalomanana rehefa niongana ny Amiraly, avy eo dia niaraka tamin’ny mpanongam-panjakana, notendren’ny Filoha Rajaonarimampianina ho loholona dia izao io izy manao mpisolovava ny mpanitsakitsaka lalampanorenana io.

Ingahy Ratsirahonana Norbert Lala indray efa tamin’ny Repoblika voalohany, no efa mpikatroka mavitrika tao amin’ny Antoko Psd, ”conseiller général” izy tamin’izany, tonga ny repoblika faharoa dia lasa Arema indray Ranôrbera, dia nidina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny taona 1991 nandrodana ny Amiraly, dia nahazo toerana ho filohan’ny HCC , tratran’ny fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra Emmanuel Rakotovahiny , dia Ingahirainy no lasa Praiminisitra, tratran’ny fampiatoana indray ny Filoha Zafy Albert dia tretrika tanteraka Ingahy Ranôry, satria sady Praiminisitra no Filoham-pirenena mpisolo toerana, na filoham-panjakana. Izy no nisalotra voalohany ny anarana filohampirenena tsy nandalo fifidianana. Raha ny tokony ho izy dia ny fanatontosana fifidianana filohampirenena no andraikitry ny fitondrampanjakana notarihany, kanefa dia nirotsaka ho fidiana Ingahy Ranôrbera, indrisy fa tsy lany, laharana fahaefatra taorian’ ny kandida Ratsiraka, Zafy, Herizo Razafimahaleo ilay filoha sady Praiminisitra no kandida, soa fa nahazo 10% dia mba niverina ny anto-bola, voafidy solombavambahoaka teto Antananarivo Ranôrbera ny taona 1998, nanatsoaka ny firotsahany ho fidiana ho filohampirenena izy ny taona 2001 ary nitaona ny vahoaka hifidy ny Filoha Ravalomanana. Ny tohiny dia efa fantatry ny rehetra fa nanongana ny Filoha Ravalomanana izy ary niaro sy mbola miaro an-jambany hatramin’izao ny kandida Rajoelina. Ireny niaraha-naheno ireny ny fiarovana bontolo ny fifidianana tsy marim-pototra ho tanterahana amin’ny 11 Desambra 2020 izao. Miendrika fandrahonana sy feno avonavona ilay fanehoan-kevitra nentin’ity lahiantitra efa nitety andrimpanjakana maro ity, hita ho efa voky taona, ka tsy tena mandinika intsony sy zavatra tokony ho izy sy ny tsy izy.

Ny Amiraly Ratsiraka indray dia tsy zoviana amin’ny vahoaka malagasy satria tamin’ny 60 taona nahazoana ny fahaleovantena dia ny Amiraly no nitondra tamin’ ny iray ampahatelony mahery ny 60 taona, 1975 hatramin’ny 1993, sy 1997 hatramin’ny 2002, nahatratra 20 taona mahery ny Amiraly no teo amin’ny fitondrana, ka raha mitanisa ny hoe tsy nahavita namaha ny olana teto amin’ny firenena ireo mpitondra nifandimby nandritra ny 60 taona ny kandida Rajoelina, dia i Deba no tena asiany mafy, i Deba ilay nitabataba fahiny tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista ny hoe “ankizy ankehitriny mpanangana ny hoavy sy tompon’ny taona 2000”, i Deba ihany koa izay nirotsaka ho fidiana filohampirenena farany teo nifaninana tamin’ilay “mpanangana ny hoavy” satria matoa izy nirotsaka dia tsy azony antoka ny “tompon’ny taona 2000”, niaraha-nahalala fa zara raha nahavaky atody ity manamboninahitra ambony laharana indrindra ao amin’ny tafika ity, ankehitriny dia ny miala vonkina amin’ny fandotoana ny Filoha Ravalomanana sisa no fahafinaretany, kanefa tsy mampalain-komana ny vahoaka Malagasy amin’ny fitiavana an’i Dada izany. Misy ny miteny fa tena efa miverin-tsaina ve ny Amiraly? Raha nambarany fa tsy nahaloa hetra 200 ka hatramin’ny 300 miliara Ariary Ravalo tamin’ny fitondrany, nahoana no navelan’izy ireo nirotsaka ho ben’ny tanàna tamin’izany fotoana izany, nahoana no navelany nirotsaka ho filohampirenena tamin’ny taona 2001? Iaraha-mahalala fa tsy afaka mirotsaka hofidiana raha tsy mahaloa hetra!

Mampalahelo f’ireo zokiolona sahy nijoro tamin’ny fahamarinana toa an’ny Filoha Zafy Albert sy ny Filoha Manandafy Rakonirina dia efa samy lasan’Andriamanitra avokoa, izay marihana ihany koa, f’efa samy tratran’ny herisetran-dRajoelina avokoa izy ireo, ny Profesora tratran’ny lakrimôzena teny Ambohijatovo sy Anosy ary ny Filohan’ny MFM nosamborina teny amin’ny Carlton Anosy, f’ireto telolahy mbola nomen’Andriamanitra tombon’andro dia tena miaro diso tafahoatra ny tsy ara-dalàna, ka mahavaky vava ny vahoaka tia fahamarinana dia mamerina ny fanontaniana hoe: “azon’inona sa nahazo inona ireto zokiolona ireto?”.