Fanoherana – Tafatsangana ny RMDM sampana Arivonimamo

Isambilo

Tafatsangana ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), any amin’ny distrikan’Arivonimamo, faritr’Itasy ny sabotsy lasa teo. Izao fivondronamben’ny fanoherana tafajoro izao dia ivondronan’ny antoko politika TIM, MTS, HVM, MFM, hita tao ihany koa ny vondron’olontsotra sy ny mpitatitra.

Mitovy tadin-dokanga izy ireo araka ny fanazavana no nahatonga ny fiarahana ho amin’ny fanoherana izao fitondrana izao. Nambaran’ireo nandahateny tamin’izany, fa fanjakana jadona no misy eto ary tsy manaja ny demokrasia sy ny zo fototra. Nanotrona izao hetsika fananganana ny RMDM any Imamo izao, ny sekretera jeneralin’ny RMDM foibe, ny senateran’i Madagasikara, Olga Ramalason, ny mpanolotsaina ary ny solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rodin Rakotomanjato.

(Sary RMDM: Ny fananganana ny RMDM tany Arivonimamo.)