Faritra Atsimon’ny Nosy – Faritra manan-karena fa nampahantraina

Aly

Ny faritra atsimon’i Madagasikara no faritra anisan’ny manan-karena indrindra raha samy faritra eto Madagasikara.

Nandritra izay taona maro izay anefa dia toa fanahiniana nohadinoina izany faritra izany, ka lasa toa faritra mahantra, manampy trotraka izany ny olana ara-tontolo iainana sy ara-toetrandro amin’ny tsy fisian’ny orana, ka miteraka kere, na hanohanana any an-toerana.

Faritra manan-karena tokoa ny any Atsimo raha ny ao ambanin’ny tany no resahana, amin’ireo harena ankibon’ny tany, toy izany koa ny anaty ranomasina, amin’ny ranomasina any an-toerana. Tany milevin-drano ny faritra Atsimo, ny dikany misy rano be ao ambanin’ny tany any an-toerana, rano azo trandrahana trohana hampiasain’ny mponina. Tsy ambakan’izany koa ny rano ety an-tanety, feno rano iny faritra atsimo iny, porofon’izany ny halehibean’ny renirano any fa tsy voafehy, very any an-dranomasina fotsiny.

Misy solitany na pétrole any, misy gaz ihany koa, feno safira, volamena, uranium, fasimainty, cobalt, nickel, mica, arintany na charbon. Maniry any ny zava-maniry rehetra raha misy rano kely fotsiny toy: ny vary, fary, katsaka na tsako, ny blé na varimbazaha, ny hasy na coton, ny vomanga na ny bageda… Ny fiompiana dia be omby any, mahatonga ny tsy fandriampahalemana, ahitana ondry sy osy,…

Faritra tokony anisan’ny hatanjaka eto amintsika ny any Atsimo: Androy sy Anôsy, fa nampahantraina hatramin’izay, ka hatramin’izao. Mila vaha-olana maharitra amin’izay ny any an-toerana, fa tsy vonjy tavanandro toy ny nataon’ny fitondrana Rajoelina ny herinandro teo.