EDITO 6 Oktobra – Miharihary ny lesoka amin’ny fomba fiasan’ny fitondrana

Sôh’son

Efa ampy tanteraka ny fotoana ahafahana manombana sy mitsara izao fitondrana Rajoelina izao, ary efa dila ny fetra aza izany. Herintaona sy folo volana be izao no nahateo amin’ny fitondrana azy izao. Misongadina amin’ny fomba fiasany sy ny fiheverany ny lesoka iray lehibe, dia tsy taitra sy mody mikoropaka hatrany raha tsy efa omby loha ny rovitra, fa tamin’ny omby tondro variana amin’ny zavatra hafa tsy mahamaika ny vahoaka. Eo am-pilazana ny vahaolana efa taraiky entiny indray dia tsy miahotra ny manilika ny fahavoazana amin’ny hafa, fa tsy miaiky ny fahadisoana.

Nihogahogana tamin’ny haino aman-jery samihafa, ny Rnm sy Tvm mazava loatra no lohany amin’izany, ny amin’ny fihetsiketsehana be natao tany atsimo ho famonjena ireo mpiray tanindrazana tratry ny kere. Efa nisy aina nafoy noho ny hanoanana namely, ary zaza no maro tamin’ireo, izay nisy valo mihitsy aza raha ny fampitam-baovao tamin’iny herinandro iny, vao ireny mody mihazakazaka miolomay nankany atsimo ny solontenam-panjakana notarihin’ny filohan’ny Repoblika. “Médecin après la mort”, hoy ny fomba fiteny vahiny, izany fihetsika izany, ary hadisoana bevava amin’ny fitondrana firenena izany.

Tsy vao izao akory no misy olana amin’ny kere sy matin’ny hanoanana tany amin’iny faritra atsimo iny, fa efa aman-taonany. Raha niomana marina hitondra firenena i Andry Rajoelina sy ireo olona mpiara-miasa rehetra ireo, alohan’ny niakarany teo amin’ny fitondrana aza dia efa tokony hisy vahaolana mahomby narosony sy nampihàriny avy hatrany raha vao nandray fahefana izy. Zavatra hafa no nahamaika sy nihazakazahana, tetikasa Tanamasoandro, Colisée, fanenjehana ireo mpifanandrina politika sy mpanohitra mpitsikera ny fitondrana, kajikajy politika, sns… Izany no nahamaika fa tsy ilay vahoaka tandindonin-doza isan’andro. Ary tomponandraikitra amin’izao manjo ny mponina any atsimo izao, izy sy ireo mpiara-dia aminy rehetra, satria efa nisy dimy taona be izao, talohan’izao nitondrany 22 volana izao, nandritry ny tetezamita, no nitondrany ny firenena.

Miharihary, fa misy tena mahamaika ny vahoaka Malagasy eto ary andrasany fatratra amin’ny fitondrana. Io tranga any atsimo io ny iray izay porofo maneho fa tsy nahomby ny fomba fiasan’ny fitondrana hatreto. Tsy ireo ihany anefa no manana olana mila vahana maika fa misy ihany koa amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tsy vitan’ny “tip top” toy ny fanamboaran-dàlana ankehitriny atao eto an-drenivohitra io sy ny fomba fiasa natao tamin’ny fizarana fanampiana ara-tsosialim-bahoaka tato anatin’ny enim-bolana mahery izao. Efa maro koa anie ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy tao anatin’izay noho ny fahaverezan’asa noho ny fikatonan’ny orinasa sy ny fahapotehan’ny fivelomany sy ny fihariany, izay vokatry ny fepetra amin’ny krizy ara-pahasalamana natao, na ny ninian’ny fanjakana natao mihitsy toy ny resaka hetra ohatra. Dia avy eo indray vao mody mikoropaka sy tsara vava amin’ny vahoaka. Fitondrana inona izany?!