ANY IANAO RY ZANDRIKELY

(Eritreritra septambra 2020 avy any Amerika )

Any ianao ry zandrikely manam-bika sy tarehy,
Kanefa “tsisy kalitao” ka zary tena “mampihomehy”!
Maro no niandrandra anao hanao kabary tsara lahatra,
Saingy indrisy fa nangaina, saingy indrisy fa nanjahatra !

Noheverina ho fotoana tsy azo avela handalo ireny,
Hahafahana mijoro , hahafahana miteny.
Kanjo indrisy tsy ianao fa olon-kafa no nakarina.
Tena gaga ny rehetra, inona no tena marina?

Folo taona mantsy izay raha toa tsiahivina eto indray,
Ilay ianao nisolantsolana, te hiseho fa hoe “milay”,
Kinanjo indrisy, nody maina, niondrika tsy nahatraka,
Fa “mpanongam-panjakana” ka dia tsy nahazo laka!

Hatrizao ve mbola misy ny alahelo noho izany,
Sa ve tsisy fiovana fa dia zaza saina hatrany?
Mandiniha ka ‘ndeha amboary tsy ho maizina ny sary.
Mariky ny “fiandrianana” ilay ianao mba hikabary!

Dia ahoana ny amin’ny “nosy” izay nitsofanao mozika?
Tamin’ny jona no voalaza fa haverina amintsika.
Ny oktobra efa ho avy, “fetim-pirenena bisy”,
K’aminio ve no hambara sa ho avy indray ny “indrisy “?

Ny tantara no hitsara ry mpanao kitoatoa,
Fa efa tena ihomehezana ilay hoe “fety faharoa”.
Ny teny koa dia tadidio fa mety hampisy voka-dratsy,
Toy ny tady mantsy izy io ka sao hafatony atsy ho atsy!

TSIMIMALO (30-09-20)