Fankalazana ny 14 oktobra – Tsy mbola misy fandaminana matotra

Ny Valosoa

Ny Alahady 14 Jona lasa teo dia nanambara Ingahy Filoha Rajoelina tao amin’ny fandaharana momba ny koronaviriosy, fa ho tanterahina amin’ny 14 Oktobra ny fankalazana ny tsingerintaona faha60 niverenenan’ny fahaleovantena, izay marihina fa niteraka fahavoazana ho an’ny fianakaviana maro ny tsy fisian’ny lanonana fankalazana ho an’ny vahoaka ny 26 Jona, raha tsy hiresaka afa tsy ny nanjo ireo mpanamboatra arendrina, izay nitaraina tamin’ny fitondrana ny tokony mba hividianana ireo arendrina efa vita, kanefa dia tsy nasian’ny fitondrana resaka izany, fa ny fitanisana ny fananganana ny ozinina fanamboarana fiara sy fanafody no natao angoantenda, izay tsy mbola hita hatramin’izao izay fiara vita sy fanafody novokarina. Tsy ireo mpanao arendrina ihany no voa mafy f’ireo tantsaha efa nanatavy ny biby fiompiny ihany koa.

Fa ampahatsiahivana ihany koa fa nanambara Ingahy Filoha tamin’io 14 Jona io, fa fety makotroka no hatao ny 14 Oktobra 2020, ka eto an-drenivohitra no ivon’ilay fankalazana, dia niova indray ny resaka fa any amin’ny Faritra Sofia izany hoe ao Anahidrano, tanàna nipoiran’ny Filoha Philibert Tsiranana no hanatanterahana izany. Izao anefa dia miova indray ny resaka satria nisy ny fikasan’ny fitondrana hanova ho tranombakoka na mozea ny trano nonenan’ny Filoha Tsiranana, nolavin’ny fianakavian’ny Filohan’ny Repoblika voalohany anefa izany, hatramin’izao efa migadona ny volana Oktobra, toa mbola any ankibon’ny omby ny fandaharampotoana.

Mikasika ireo nosy malagasy izay nampanantenaina fa tokony hiverina amintsika malagasy tamin’ny 26 Jona teo, dia tsy misy resaka intsony ny hoe amin’ny 14 Oktobra vao tena hiverina marina, manginy fotsiny ny aretina koronaviriosy tsy mbola fongotra tanteraka, fa ny azo inoana dia tsy hampaninona ny fitondrana ny hampandihy tsy afa-tavony ny vahoaka Malagasy. Fitondrana mahay mampandihindihy ity, fa tsy mahafantatra izay tena mahasoa ny vahoakany.