Vondron’orinasa TIKO – Be ny fahapotehana noho ny hetra takian’ny fitondrana

Sôh’son

Namaky bantsilana ny zava-misy manjo azy ho fanta-bahoaka eto amin’ny firenena ankehitriny ny eo anivon’ny orinasa Tiko. Tsy mety intsony ny mangina fa toy ny diso hatrany izy ireo. Nampahafantarina omaly fa mbola mitohy ny fanapotehana sy antsojay ny orinasa Tiko. Tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka hetra izany, fa tena ampiharana mihitsy ny fitrongisana ny fotodrafitr’asa hatrany amin’ny fotony, toy ny atao ao amin’ny orinasa niorina tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Hanakaramana ny orinasa Colas no asaina miandraikitra ny mikaoka hatrany ifotony (démolition) izany orinasa izany. Toe-tsaina inona izany? Nambara fa tsy afa-miala amin’izany ary ho tompon’andraikitra ny ao amin’ny seranan-tsambo satria tsy maintsy hisy ny tombana “évaluation” sy ny fanadihadiana samihafa “expertise” atao amin’izany. Notsiahivina, fa ny Tale jeneraly tamin’izany fotoana izany no tale jeneraly amin’izao fotoana izao, ka mahafantatra izy ny andraikitry ny seranan-tsambo tamin’izany sy ny fotodrafitrasa nopotehina tao.

Natao izay hanakatonana ity orinasa Malagasy ity, ary tsy namakiana loha izay hanjo ireo mpiasa ao aminy. Fahapotehana tsy hita pesimpesina sy faritana no natao tamin’ny orinasa Tiko manerana ny Nosy nanomboka ny taona 2009. Norobaina sy nangalarina ny entana maro samihafa ary nisy ny nanome toromarika tamin’izany, nopotehina sy nodorana tanteraka ireo orinasa maro manerana ny Nosy. Nambaran’ny solontena avy amin’ny orinasa omaly, fa mitentina 1.461.367.732.141 Ariary, 1461 miliara Ar mahery ny tetibidin’ireo fahavoazana rehetra sy onitra tokony aloan’ny fanjakana amin’ity vondrona orinasa ity izay miisa eo amin’ny 11 ny orinasa ao anatiny. Mifanalavitra tanteraka amin’ny lazaina ho hetra mitentina 150 miliara ariary takian’ny fanjakana ankehitriny ary antony hanakatonana ireo orinasa Tiko sy Triple A izany tetibidin’ny fahasimbana sy fahapotehana izany.

Ankoatra ny fampihavanam-pirenena sy ny amnesty, dia andraikitry ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na CFM ny fanonerana ny olona rehetra sy ny orinasa lasibatra tamin’izany fotoana izany. Izay indrindra no nahatonga ny solontena avy amin’ny orinasa Tiko, notarihan’ny mpisolovava Me Hanitra Razafimanantsoa, nankeny amin’ny foiben-toeran’ny CFM Ampefiloha nitondra ny antonta-taratasy momba ny fanonerana ny orinasany satria izy no orinasa iray lehibe anisan’ny lasibatra tamin’izany. Nisy ny fihaonana tamin’ireo Mpiandraikitra ny CFM notarihan’ny ny filohany tamin’izany, izay nandray ireo antonta-taratasy natolotra sy ny fanampim-panazavana samihafa nandritry ny fifanatrehana. Voarakitra sy voafaritra ao anatin’ny tondrozotra (feuille de route) tamin’izany fotoana izany ny amin’izay fanonerana izay. Tsy ny olona nanao ny fandrobana sy fanapotehana akory no manao ny fanonerana, fa hisy ny tahirimbola na “Fonds National de Solidarité” (FNS) izay handrotsahana ny vola, no hanatanterahana izany. Manana ampahany kely amin’io ny fanjakana, fa ny ampahany be kosa dia ny Fianakaviambe iraisam-pirenena no mameno azy. Ka ireto solontena avy amin’ny vondrona orinasa Tiko ireto, dia nanatona ny CFM izay manana adidy amin’ny fampihavanam-pirenena, ny hijerena ny amin’izay tokony hifampiresahana sy hodinihina, fa tsy manao didiko fehy lehibe fotsiny, ka lasa hidiran’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny raharaha satria tsy maintsy ho any no hihafaràny rehefa tsy mifampihaino eto isika, hoy ny nambarany.

Dia andrasana araka izany ny ho tohin’ity raharaha iray lehibe eto amin’ny firenena ity.