V.M.M.F – Mitarazoka ny raharaha “ecran plat”, mahavoasaringotra ny ministry ny atitany sy ny vadiny

Ireo avy amin’ny VMMF nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Franck Razakambelo

Manao lakolosy fanairana ho an’ny tompon’andraikitry ny fitsarana ao amin’ny Pac (Pole Anti-corruption), ny Vmmf (Vovonana Malagasy Manarina ny Firenena), mba handray an-tanana ny fitoriana mikasika ny raharaha “Ecrat plat”, izay nahavoarohirohy ny Minisitry ny Atitany sy ny vadiny.

Nilaza Andriamatoa Razafimanantany Faniry, Sekretera Jeneralin’ny Vmmf, fa efa ho iray volana sy tapany ireto farany no nametraka fitoriana teny anivon’ny “Haute Cour de Justice” ary “Favoritisme” sy ny”Conflits d’interêt” no fanenjehana niampangan’ny Vmmf ny Minisitrin’ny Atitany, izay mitantana ny Cco, fitoriana miaraka amin’ny vadiny.

Nanohy nanazava izy fa hatramin’izao dia mbola tsy nisy fampiantsoana nataon’ny fitsarana ho an’ny mpitory sy ny Minisitra izay voakasik’izany. Manahy ny Vmmf, fa ho sokajian’ny tompon’andraikitrin’ny fitsarana ho vary mangatsiaka indray ity raharaha “Ecrant Plat” ity kanefa dia mihazakazaka aok’izany ny fandraisana an-tanana ny fanenjehana an’ireo sokajin’olona tsy mitovy firehana Politika amin’ny fitondram-panjakana toy ny raharaha Claudine, ny raharaha Mbola Rajaonah, ny fanenjehana an’i Rolly Mercia sy i Berija, ny fisamborana ny tompon’andraikitry ny Cnaps teo aloha ary ny fisamborana an’ireo olona mitantana vondrona kaonty eny anivon’ny tambazotran-tserasera sy ny sisa…

Nanamafy ny Sekretera Jeneralin’ny Vmmf, fa tsy afaka mibaiko ny raharaham-pitsarana ireto farany kanefa mampisongadina ny fametrahana ny fisian’ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana ny fanafainganana an’ity raharaha “Ecrant plat”, izay nahavoasaringotra ny Minisitrin’ny Atitany sy ny vadiny ity, araka ny efa voalaza teo.

(Sary: Ireo avy amin’ny VMMF nitafa tamin’ny mpanao gazety.)