EDITO 1 Oktobra – Tsy hisy raha manjary eto raha tsy mivaha ny olan’ny maro

Sôh’son

Miditra amin’ny volana faha-10 amin’ity taona diavina ity sahady isika ankehitriny. Ny volana sy ny andro ihany no mitombo fa ny fiainam-bahoaka mifanohitra tanteraka amin’izany. Tsy tafarina ny fiainam-bahoaka , amin’ny ankapobeny ary ny firenena dia mbola milofika ao anaty fahasahiranana sy fahantrana lalina mandrak’ankehitriny. Tsy araka ny vava be natao tany amin’ny fampielezan-kevitra no miseho. Tsy adino ary hipetraka ho tantara ny nanambarana, fa andron’ny teknolojia izao, ary niedinedenana mihitsy tamin’izany fotoana izany ny nilazàna izany, toy ny hoe ao anaty volana vitsy dia hiova tanteraka ny fiainan’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena. Ho môdelin’ny any ivelany sy indrindra aty Afrika i Madagasikara. Niedinedina teo imason’ireo kandidà mpifaninana aminy ny filohan’ny Repoblika ankehitriny Andry Rajoelina, fa tsy hisy toa azy ny rehetra. Aiza ho azia anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao?

Ny nanakianana ny filoha teo alohany ny amin’ny hoe delestazy ity mbola misy ihany, efa ho 22 volana aty aoriana ny nitondràny. Ny rano fisotro madio , tena ifaharan’ny fahasalamam-bahoaka, ny omaly tsy miova, fa mbola ao anaty olana tanteraka hatrany. Tsy nisy fivoarany ny fiainam-bahoaka, mijaly andro aman’alina amin’ny fatsakana rano manerana ny tanàna sy fokontany ary kaomina maro samihafa. Rehefa ny famatsiana jiro sy rano no tsy milamina, inona no mampiavaka ity fitondrana Rajoelina ity, izay niseho ho babany hatramin’izay?
Raha mpitondra marina sy feno fahendrena amin’ny fitantanam-pirenena dia tokony ho tsy hanam-pitoniana sy hilamin-tsaina tamin’ny fisiana zaza Malagasy namoy ny ainy noho ny hanoanana. Vaovao lehibe nipoitra tamin’ity herinandro ity izany nanjo ny zana-bahoaka izany tany Atsimon’ny Nosy. Am-bolana maro no nahateo amin’ny fitondrana anao dia tompon’andraikitra amin’izany ny fitondrana. Ny fandaniana volabe tsy toko tsy forohana no nataon’ny fitondrana tamin’izay kajikajiny politika tao anatin’izany tamina sehatra samihafa sy figalabonana amin’ny harena sy fiadanana isan-karazany, kanefa etsy ankilany misy vahoaka fadiranovana miady amin’ny fahafatesana isan’andro. Fitondrana tsy mahaaro ny vahoakany.

Lavaka makadiry tsy tototry ny fitondrana ary tsy mampiraika azy rahateo ihany koa, ny fampiraisana hina ny vahoaka Malagasy sy ny fampihavanana azy. Natao tazan-davitra izany, raha ny fahitana azy, satria tsy nahitana fihetsika mihitsy na kely aza ny fitondrana ny amin’izay hanarenana sy “hitsaboana” izany. Heveriny mantsy fa ho vitavita ho azy amin’izao izany, hevi-diso sy fomba fiasa tsy mahomby tanteraka. Porofon’izany, iaraha-mahita ny kiaka mafy ataon’ireo lasibatra tamin’ny disadisa politika teto sy ny fandrahonany raha tsy mivaly ny fangatahany amin’ny zony tokony ho azony. Tsy hisy firenena ho vanona sy handroso amin’ny tena fampandrosoana marina raha tsy mivitrana amin’ny ankapobeny ny fiainam-piarahamonina n’inona n’inona fahaizana. Raha tsy mivaha ireo olana maro samihafa anaty fiainana sy raharaham-pirenena dia mbola ho sarotra no hiarenan’ity Nosy ity. Resa-be avokoa sy fampandriana adrisa ary fampanantenana poak’aty izay ambaran’ny mpitondra eo, raha tsy milamina ireny olana rehetra ireny, na mahavita teny tsara lahatra feno lambolambo fatratra toy ny fanaony hatramin’izay aza izy.