RY MPITONDRA ANKEHITRINY !

Samy nifandimby teto ireo karazam-pitondrana.
Samy nanan-kolazaina ireo nahazo fahefana.
F’ity farany no hafa, mampiaiky ny rehetra,
Amin’ny kitoatoa sy ny fanaovana amboletra.

Lalan-diso sy tsy mety, izay no tiany hisisihana.
Ny tokonana tsy afany dia iakarany ny rihana.
Mbola tsisy toy ity fa “ela ihany no nanaovana”.
Fitondrana firenena: lasa kianja filalaovana!

Andranandrana hatrany sy kitoatoa no misy.
Etsy, tsy ampy ny bilao, eroa, mihoatra be ny visy!
Ny mpitondra firenena, toy ny zaza miala sakana.
Tsy mifantoka tanteraka amin’ny fivoizan-dakana !

Vao mahita hazo fisaka dia indreny mitsambikina,
Ary eny no midehaka, eny no mitikintikina.
Dia ilaozany ny lakana sy ireo mpandeha ao aminy,
Fa ny fisehoana ivelany, izay no tiany sady maminy.

Ry mpitondra mihevi-tena ho mahay tsy mety valaka,
Andronao aloha ny anio ka dia ataovy ny “kilalaka”,
Saingy mihevera kosa, be no efa leo tanteraka,
Ka dia miandry ny hianjeran’ ny paiso lo sy efa miveraka !

DADAN’i ZINA (26-09-20)