Mitsipaka hatramin’ny farany ny mpanohitra – Nanomboka omaly ny fametrahana firotsahan-kofidiana ho senatera

Rajo

Omaly faha-28 Septambra no nisokatra ny taratasy firotsahan-kofidiana ho loholona eto Madagasikata. 40 taona no ho miakatra no mahazo miditra ho kandida loholona ary voasoaratra anaty lisi-pifidianana. Eny anivon’ny distrika kosa no hanatanterahana ny fifidianana amin’ny 11 desambra ho avy izao. Ankilany, dia manamafy hatrany ny antoko mpanohitra sy ireo vondron’ny parlemantera, fa tsy mankasitraka io fifidianana io, ary mangataka ny fanafoanana azy tsy misy hatrak’andro.

Ankoatr’izay, dia efa nilaza hatrany ireto vondron’ny parlemantera ireto fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ny fangatahan’izy ireo dia ny fifidianana ben’ny tanàna tsy mbola manana izany aloha no tokony hatao vao miroso amin’izany fifidianana loholona izany.

Takian’izy ireo ihany koa ny fanafoanana ny mpikambana eo anivon’ny Ceni satria ireo no fototry ny olana teto nandritry ny fifidianana nifanesy teto Madagasikara. Ohatra amin’izany ny lisitra miverimberina, ny hala-bato sy hosoka isan-karazany teny anivon’ny fokontany, saingy tsy hita izay marina hatreto. Manginy fotsiny ny olana samihafa tamin’ireny biraom-pifidianana samihafa teto Madagasikara ireny tao anatin’ny fifidianana nifandimby teto.

Hatreto dia tsy matoky intsony ny Ceni ny mpifidy malagasy ary mitaky ny fanafoanana tsy misy hatak’andro azy ireo vao mifidy indray.