Tanora RMDM Toliara – Tontosa ny fananganana ny birao

Ireo niatrika ny fifidianana ny biraon’ny tanora RMDM Toliara.

Isambilo

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo ny fifidianana ny mpikambana amin’ny biraon’ny tanora RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) Faritany Toliara.

Izany dia natrehin’ny filohan’ny RMDM Faritany Toliara Docteur Victor, ny Filoha lefitra SAZALAHY Tsianihy ary ny Filoha lefitra Ramatoa Nini Zafindravola.

Ireto avy no lany tamin’izany fifidianana izany:
– Filohan’ny tanora RMDM Faritany Toliara, Jean Clovis
– Filohan’ny tanora RMDM faritra Atsimo Andrefana, Robert
– Filohan’ny tanora RMDM Distrikan’i Toliara voalohany, Sambitanako Jean Chrisostome.

Ireto mpikambana amin’ny birao vao voafidy ireto dia mankasitraka ireo tanora namana rehetra tonga maro naneho fahavononana amin’ny fitiavany ny tanindrazany, indrindra ho an’ny Faritanin’i Toliara. Misaotra ihany koa izy ireo, an’ireo Ray aman-dreny tonga niatrika ny fanatanterahana ny fifidianana.

Manome toky izahay hoy ireto tanora ireto fa hiady ho an’ny vahoaka Malagasy, indrindra ny vahoaka ao anatin’ny Faritanin’i Toliara.