Tanora TIM boriborintany faha 6 – Manome cours maimaimpoana ireo mpanala bacc miisa 250

Ny filohan’ny tanora TIM Boriboritany faha-6, Lalaina Rabezanahary

Helisoa

Isan-taona ny tanora Tiako i Madagasikara (TIM) ao amin’ny boriborintany faha 6, tarihan’ny filohany Lalaina Rabezanahary dia manome cours maimaimpoana ao amin’ny Lycée Privé les Rossignols Ambohimanarina, ho an’ireo mpianatra manala fandinam-panjakàna, toy ny fanadinana bacc, mba hanalàna fahasahiranana ireo ray aman-dreny sahirana ara-pahavelomanana.

Fa tamin’ity taona 2020 ity kosa dia niavaka ary natao mafimafy ny cours nomena ireo mpiadina araka ny fanambarana nataon’i Lalaina Rabezanahary, filohan’ny tanora TIM ao amin’ny boriborintany faha 6, satria noho ny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena hoy izy, izay nahavitsy ny fotoana nianaran’ny ankizy dia niezaka izahay niantso ireo tanora manala fanadinana bakalorea teto Ambohimanarina, mba hahatsara ny vokatra azo amin’ny fanadinana.

Marihina fa mandritra ny 3 herinandro no faharetan’ny fotoana hanaovana ny cours, ka mpiadina miisa 250 eo no hisitraka izany. Tsy mijanona amin’ny lafiny politika fotsiny ny tanora TIM hoy Lalaina Rabezanahary, fa mijery ny lafiny fampianarana eto Madagasikara araka ny tarigetran’ny filoha Marc Ravalomanana, izay tsy nanao ambanin-javatra ny lafiny fanabeazana teto amin’ny firenena fony izy teo amin’ny fitondràna.