EDITO 29 Septambra – Ampiainina hatrany ny hevi-dison’ny fitondrana ny vahoaka

Sôh’son

Inona intsony ny fanantenan’ny vahoaka raha toa ka miray tendro, sy miray loha ny fitondrana, sy ireo andrim-panjakana sisa manoloana ny kianjan-kevitra tena ilàna teny ierana tanteraka amin’ny vahoaka tompom-pahefana ? Efa ny mpiantsena sy ny mpahandro ary ny mpandoa-bary no manao tian-kano tsy tian-kano, ka ho hatraiza no tokin’ain’ny olona fahanana ? Fiaraha-monina mivaralila no asehon’izany endrika izany.

Manitsinitsy fotsiny toy ny manao làlan-dririnina ny fahitana ny fihetsiky ny fanjakana na ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny amin’izao fotoana izao. Ny vahoaka hatrany no ifatraran’ny vokatry ny fomba fiasa noandrakandramana.

Ny manahirana ny sain’ny mpandinika, dia misy vanim-potoana ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, toa tsy hain’ny mpitondra fanjakana ny mamaritra azy mazava sy ny fepetra tokony horaisiny, tsy eo amin’ny lafiny fitandremana ara-pahasalamana ihany, fa indrindra eo amin’ny lafiny fametrahana ny lamim-pihariana andavanandro. Tsikaritra ho misy toe-tsaina mihevitra, fa vao miha-malefaka ny fepetra raisina amin’ny fihibohana, dia efa tafarina avokoa avy hatrany ny fihariam-bahoaka rehetra. Iray amin’izany, ohatra, ny fandoavana ny vola amin’ny faktioran’ny Jirama izay tsy maintsy feno amin’izay manomboka amin’ity volana ity. Toy ny manao hoe efa tapitra ny fahasahirananareo fa aloavy amin’izay ny vola feno. Tsy any amin’ny Jirama ihany no isehoan’izany, fa hita niharihary ihany koa izany tamin’ny nanaovana ireo orinasa malagasy maro, ary lasibatra amin’izany ny orinasa Magro sy Triple A. Ilay vanim-potoana anefa hita izao fa tsy mbola milamina, ka ahafahany miarina tanteraka. Toy izany koa ny zava-misy any amin’ny seha-pampianarana samihafa. Rehefa avy notakiana ary tsy maintsy mandoa ny saram-pianarana tsy nianarana akory ny ray aman-dreny dia noterena avy hatrany handoa ny saram-pisoratana anarana vaovao sy ny saram-pianarana miditra amin’ny taom-pianarana vaovao. Tsy nojerena mihitsy ao anatin’izany ilay vanim-potoana tsy voafaritry ny fitondram-panjakana.

Santionany ireo nambara ireo, fa maro ny tranga na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra. Nahoana no tsy hain’ny fitondrana ny mamaritra ilay vanim-potoana sy ny fepetra tokony horaisina mifanaraka amin’izany? Io vanim-potoana io dia izao iainana ankehitriny izao, ilay miditra eo amin’ny fotoana hanalefahana ny fepetra amin’ny fihibohana kanefa ny valanaretina mbola eo ihany, ary ny krizy ara-pahasalamana mbola mitoetra. Tsy misy afaka hilaza fa efa niarina tanteraka toy ny fiainany teo aloha ny fiharian’ny maro, na ny sarambabem-bahoaka amin’ny ankapobeny. Ny olona avy narary mafy ka sitrana dia mbola omen’ny mpitsabo fotoana ipetrapetrahany aloha hakàny bahana, fa tsy tonga dia miasa mafy avy hatrany.

Raha eo amin’ny fiainam-piaraha-monina sy fihariam-bahoaka andavanandro ihany koa dia mitovy amin’izany. Nihitsoka lalina tamin’ny fahasahiranana ny vahoaka sy ireo orinasa maro tao anaty volana maro. Mpitondra feno fahendrena lalina no mahita ny marina amin’izay tokony hatao amin’izany, fa tsy io ampiharin’ny fitondran-dRajoelina ankehitriny io.