TARATASY HO AN-DRAINITSABAKA

(Avy amin’ny mpivarotra amoron-dalana sy ireo very asa)

Mampalaza anao mihitsy ny fanaovana amboletra,
Indrindra moa ny fitsabahana amin’ny sehatra rehetra.
Te hiseho angamba ianao hoe: “tsisy zavatra tsy haiko”,
Hany ka miraradraraka ny teny midina sy baiko.

Koa miangavy re ‘zahay, andeha teneno ry lesola.
Mamelà anay hivarotra fa mijaly tsisy vola.
Tena reraka izahay mpivarotra eny antsisin-dalana,
Fa voailika isan’andro sady tsy omena alalana.

Tena mafy ny manjo fa lavabe ny fihibohana.
Efa lany, tsisy intsony ireo natao ho vatsy tohana.
Koa miangavy re ‘zahay, ny tompon-tranonay teneno,
Mba tsy handroaka raha misy ny hofantranonay tsy feno.

Jirama torak’izay, andeha re mba teneno indray
Tsy hotapahiny ny jiro sy ny rano ato aminay,
Satria dia fantatrao ihany, very asa anie ny havana ,
Ka hatreto dia tsy misy izay mba vola handoavana.

Tena mbola tsy fotoana fanomezan-tsazy izao,
Ka dia vohay ny orinasa raha toa ka sitrakao.
Satria ianao efa nitsabaka dia jereo ireo very asa.
Ny ady eo amin’ny samy deba, atsaharo fa tsy lasa.

Tombontsoam-pirenena no imasoy fa io no ambony.
Ny adilahy politika, tsy hampandroso fa ajanòny.
Dia ataovy lohalaharana ny famitranam-pihavanana
Ka mialohan’ny fitsabahana, ‘ndeha aloha misasa tanana.

DADAN’i ZINA (24-09-20)