RY KOMITY FAMPIHAVANANA

Hanao inona ianareo ry ilay komity fampihavanana?
Sao mandany vola fotsiny ka tsy aleo ve hofoanana?
Firy taona nijoroana, saingy tsy ahitana vokatra.
Tena miadana fiasa sy manao famindran-tsokatra!

Aiza izao ilay fampihavanana? tsisy zavatra mivaingana!
Nefa izay no efa nandrasana fa hoe mila hatomboka haingana.
E! mandroso ny fotoana, saingy toa vao mainka loza,
Fa dia be no miady lava, mifanaikitra toa foza!

Ny taloha toa tsy milamina, tonga indray ny gidragidra,
Mainka miitatra ny fery ka mivadika ho dridra.
Saingy toa mitazam-potsiny ilay komity fampihavanana.
(Tena toy ny sarivongana, moana sady mondry tanana!)

Nefa tsy olonolom-poana fa dia tena notsongaina
Ireo mpikambana amin’ity komity mahabe taraina,
Ka dia gaga ny rehetra, maro no mifanontany,
Misy hatrany ve ny tsindry sy ny sakana any ho any?

Firy taona aty aoriana, toa mitohy ny “fikafika”,
Fa tsy misy fanonerana ho an’ny gadra politika.
Moa mitady hiala bala ry boaikely sy ny tariny,
Fa dia hoe “izay tiany ihany”, izay no ataony sy ampihariny?

DADAN’i ZINA (20-09-20)