Raharaham-pirenena – Hiketrika ny antoko TIM

Marc Ravalomanana, Rina Randriamasinoro, Fidèle Razara Pierre Ny filoha nasionaly, ny sekretera jeneraly ary ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM)

Isambilo

Na ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza ny eto Madagasikara amin’izao fotoana, manaraka akaiky ny raharaham-pirenena hatrany ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ao anatin’ny fanetsehana sy ny fanomezan-kery indray ny antoko, na redynamisation, ny mpitarika tarihan’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana amin’izao fotoana.

Mialohan’ny hidinana hitety faritra, hanamafy ny fototra manerana an’i Madagasikara, satria efa misokatra avokoa ankehitriny ireo lalam-pirenena manerana ny Nosy, hiketrika momba ny raharaham-pirenena izy ireo etsy amin’ny foiben-toerany etsy Bel’Air Ampandrana

Arak’izany, ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro dia manambara fa hivory ny Birao Politikan’ny Antoko Tiako i Madagasikara sy ireo olomboafidy rehetra :
Loholona, solombavambahoaka, Ben’ ny Tanàna, Mpanolotsaina, hivory izy ireo ao amin’ ny QG Bel’Air anio alakamisy 24 Septambra hanomboka amin’ ny 9 ora sy sasany. Zava-dehibe no ho dinihana hoy Rina, ka manainga antsika rehetra ho tonga amin’ izany.

Mahakasika izay raharaham-pirenena izay, manara-maso ny aty an-tanindrazana koa ny TIM any ivelany. Noho ny fahatsapana ny olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy, sy ny fahitana ireo fandikan-dalàna maro ataon’ny mpitondra ankehitriny dia miantso ny mpomba ny Filoha Marc RAVALOMANANA sy ireo mpanohana ary mpikatroka TIM rehetra any Frantsa sy manodidinana izy ireo, ho tonga amin’ny fihaonambe izay hatao rahampitso ZOMA 25 Septambra 2020 amin’ny 8 ora alina ao amin’ny 24 rue Pierre Nicole Paris 5ème. Zava-dehibe ihany koa no hodinihina hoy ny fanambarana, ka manantena ny fahatongavana maro.