TOY NY ZAZA FOLO TAONA

Vatsy tohana no entina hidedahana isam-paritra,
Miampy tosika fameno , izay inoana fa tsy haharitra?
Maro no misento anaty ny olo-manam-pahendrena.
Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena!

Ny “aorian’ny krizy”, mbola ho mafy noho izao.
Tsy azo afenina intsony, matroka ny tabilao.
Tena maizina daholo ny tontolo izay jerena.
Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena !

Ireo izay miezaka hanitsy sy mikasa ny hanoro,
Dia montsanina daholo ho potika sy torotoro.
Izany ve no hanehoana fa anareo ny fandresena?
Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena!

Tena tsisy fivoarana antenaina velively,
Fa ny ambony tsy fitaratra sady tena tsy modely.
Ireo zokiolona aza, indrisy, be no toa manongo tena.
Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena!

Rendrarendra no ifotorana, zavajava-tsisy vidiny.
Ny vahoaka anefa, indrisy, mihamahantra faraidiny!
‘Ndeha jereo ny tabilao fa tsisy tsy manopy mena.
Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena!

Toa mitohy tsy misy farany ilay atao hoe fahamehana,
Hamotehana ny hafa, dia ireo hafa firehana.
Dia mitohy torak’izany ny hadisoana sy hagegena.
Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena!

… Folo taona lasa izay, filoha iray no efa nitrena:
“Toy ny zaza folo taona no mitondra firenena!”
Ka dia asa ankehitriny, folo taona aty aoriana,
Miova ve sa mbola izany ilay mivoy ny familiana?

DADAN’i ZINA (23-09-20)