Fanoherana – Mahazo hery ny RMDM any Toliara

Ireo mpitarika, nandritra ny fivorian’ny RMDM tany Toliara.

Stefa

Eo amin’ny fanoherana ny fitondrana misy eto Madagasikara, azo lazaina ho mahazo hery ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara any Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Tontosa soa aman-tsara ny fivoriana izay nataon’ny RMDM tany Toliara, nitarika izany tany an-toerana ny filoha lefitra avy any amin’iny faritra iny, Pasitera Edouard Tsarahame, sy ny depiote teo aloha Tsianihy.

Ny mahakasika ny raharaham-pirenena tsy mandeha amin’ny laoniny ankehitriny, no niompanan’ny dinika tamin’izany, sy ny fananganana ary ny fanamafisana ity rodoben’antoko ity any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny.

Noho ny fahombiazan’ny hetsika tany an-toerana, misaotra bevata ny rehetra namaly ny antso izay nataony ireo mpitarika. Mamerina ny fialantsiny amin’ny mpikambana rehetra tao ivelan’ny toera fivoriana, izay maro tokoa tsy tafiditra nohon’ny fahafenoany efitrano nivoriana. Mankany mankany arak’izany ny fanoherana any Toliara.

(Sary FB Vahoaky Mifampiaro Mazava Zay)