Hadihady – Mbola ho sarotra ny fiaraha-miarina

Sôh’son

Nanafika tao amin’ny tanàna kely iray ny dahalo. Norobainy avokoa ny omby rehetra tao an-tanàna, norobainy ny vola aman-karena noharian’ny mponina, nisetrasetrain’ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy, nisy fandorana trano fonenana, dia lasa izy ireo. Am-bolana maromaro taty aoriana, nilaza ho niova fo ireo jiolahy nipoitra avy any amin’ny nisy azy. Nitondra hena sy zavatra maro samihafa tena nilain’ireo mponina izy ireo. Nampifaliany tamin’ny rendrarendra sy korana isan-karazany ny tao an-tanàna satria nanankarena izy ireo tamin’ny fandrobana nataony. Dia hisy ve olona ao amin’io tanàna io hilaza fa tsy mbola nisy nahavita toy izao? Mby amin’ny fitenenana ary ny zava-mitranga hoe: ny azy ihany no hanajàny azy. Ohatra sy kisarisary tonga ao an-tsaina ihany izany fa tsy zava-nisy akory…

Mahavariana ny mandre olona miteny rehefa nahazo fanampiana avy amin’ny fitondrana, ka milaza fa tsy mbola nisy fitondrana nahavita toy ity fitondrana ankehitriny ity. Ny fitondrana rahateo etsy ankilany mirehaka ho babany fa tsy mitovy ny teo alohany rehetra. Atao mipoapoaka amin’ny haino aman-jery indrindra ny an’ny fanjakana ny fisaorana ny filohan’ny Repoblika, noho ny nahazoana izao sy izatsy. Ohatra amin’izany ny làlana novahana fa efa sokafana miandalana ny fepetra amin’ny fihibohana. Toy ny tsy nisy ny fahasahiranana lalina niainana sy mbola iainana mandraka ankehitriny vokatry ny fahapotehan’ny fihariam-bahoaka sy ny fikatsoan’ny fivelomana. Toa nodian-tsy hita sy tsy tsaroana ny fihafiana mafy efa mila tsy ho zaka intsony nikaroka ny hanina isan’andro mba hihazonan’aina fotsiny sisa. Tsy tokony hohadinoina velively anefa, ary hipetraka ho tantaran’ny firenena, fa noho ny tsy nanakatonana aloha tamin’ny fotoanany ny sisin-tany sy ny vavahadin-tseranana rehetra teto amin’ny firenena mba tsy hidiran’ny valanaretina covid-19, no anton’izao fahasahiranana lalina nanjo ny sarambabem-bahoaka sy ny firenena izao. Nisy aza ireo mpiray tanindrazana lavo, namoy ny ainy, mihitsy efa ho roanjato mahery izao. Dia hoe isaorana ve ny fitondrana raha manome fanampiana izay sendra tandrify izany? Misy anefa ireo tsy mbola nisitraka izany mihitsy, koa ao anatin’izany kanefa marefo tena mila fanampiana. Tsy tokony handoa onitra amin’ny vahoaka aza ve ny fitondrana satria noho ny nataony, ny fepetra noraisiny sy ny fomba fiasany ihany no nahatonga ny fahavoazana?

Saika tojo olana avokoa ny sehatra rehetra misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy. Tsy afa-bela amin’ny valanaretina covid-19 ny firenena na dia lazaina ho efa nandalo ny “pic” aza, ary efa miditra amin’ny faha-14 amin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena. Mampieritreritra ihany ny fampidirana ao an-tsain’ny maro, fa tsy maintsy miara-miaina amin’ny valanaretina isika. Midika izany fa tsy ho resy ity valanaretina ity. Teny filamatra atao hatrany am-piandohana sy mandraka ankehitriny anefa ny hoe “Madagasikara mandresy ny coronavirus”. Raha ny zava-misy dia resy tosika ny valanaretina, fa tsy resy tanteraka.

Ankehitriny dia manomboka miroso amin’ny fiarenana sy fanarenana isika. Mbola misy ankamingana indray koa anefa atao amin’ny sasany. Ny tokony ho izy anefa, dia Malagasy miara-miarina aorian’ny nahavitana niara-nanohitra sy nanosika ny valanaretina. Tsy ho vitan’ny fitondrana samirery ny niady tamin’ny valanaretina, ny mizara fanampiana ara-tsosialy ho an’ny Malagasy, ny fanarenana ny lafiny sosialy sy ny toekarena. Raha mbola mihambo hahavita irery toy ny hatramin’izay kanefa tsy tafavoaka akory ny fitondrana, araka ny fahitana ny zava-nisy, dia handeha ila toy ny “kiraron’i Beminahy” ihany, ny zavatra hitranga eto. Mahadika zavatra maro izany…