EDITO 24 Septambra – Fisandratana – Mibirioka tsy manaraka ny tokony ho izy i Madagasikara

Sôh’son

Mivily làlana na mibirioka mihitsy tsy manaraka ny zotran’ny firenen-drehetra an-dalam-pisandratana ankehitriny i Madagasikara. Iaraha-mahita ny zava-misy amin’izao fotoana izao eo amin’ny fitanatanam-pirenena. Tsy avela hahazo aina sy hiroborobo ny orinasa maromaro nefa isika mbola ao anaty hamehana ara-pahasalamana sy krizy ara-toekarena. Tsy miahotra mihitsy ny fanjakana manakatona izay lazainy ho tsy manara-dalàna ao anatin’izao vanim-potoana izao. Seha-pihariana maro lafy anefa no voatohintohina tanteraka ao anatin’izany. Tokony ho fantatra anefa, fa ny orinasa tsy miankina no môtera mampihodina ny toekarena sy manandratra ny firenena. Ireo firenena aziatika an-dalam-pisandratana sy efa misandratra ankehitriny dia nahay nitsinjo ireo orinasa tao aminy mialoha ny fiantsoana mpandraharaha sy famatsiam-bola na mpampiasa vola avy any ivelany. Hain’izy ireo ny nanatanteraka ny tery omby ririnina, ka tsy mahafaty ny reniny ary tsy mahabotry ny zanany. Ny eto amintsika anefa ny reniny velomina, ary na ho faty aza ny zanany fa tsy botry fotsiny aza tsy maninona. Ny lalàna no ventesina anaovana litania eto. Tsy ampy hahafahana manandratra firenena anefa izany na hihodin-kavia na hihodin-kavanana ny mpitondra. Raha tena manana finiavana marina sy handeha amin’izany làlan’ny fisandratana izany, dia sorohina tanteraka aloha izay tsy hanakatonana orinasa, fa izay hanampiana azy amin’ny lafiny samihafa aza no tokony ezahina fatratra sy ifotorana atao.

Ary ny eto tsy ny orinasa mpamokatra ihany no voatohintohina, fa misy seha-pihariana hafa ihany koa. Anisany mitaraina, ohatra, ny haino aman-jery tsy miankina rehetra iharan’ny “réquisition” isan’andro tato anatin’izao hamehana ara-pahasalamana am-bolana maro eto amin’ny firenena izao. Misy fiantraikany any amin’ny fidiram-bolan’izy ireo izany kanefa tsy misy izay setriny avy amin’ny fanjakana. Tsapa ho toy ny ilàna kisa mihitsy aza izy ireny raha ny fahitana ny raharaha. Na hisy fanampiana ara-bola be toy inona aza avy any ivelany ianteheran’ny fitondrana, dia tsy hahatafavoaka ny firenena mihitsy izany. Famatorana ny firenena ho tafahitsoka lalina bebe kokoa aza izany, satria mampibaby trosa be ny firenena hatrany, ary ho sakana rahateo amin’ny fampandrosoana.

Raha mbola misy eto tompona orinasa mitaraina noho ny vesatra na tsindry ataon’ny fitondrana ao anatin’izao vanim-potoana sarotra ara-toekarena izao, dia mbola sarotra ny hisaina fa manitsy ny dia hihazo ny làlan’ny fisandratana ny firenena. Tsy lavina, mila mandoa ny hetrany sy izay tokony hanaraka ny ara-dalàna amin’ny sehatra misy azy ireo orinasa. Mila misaina lalina am-pahendrena koa anefa ny fitondram-panjakana amin’ny fandraisana fepetra, fa tsy mampihàtra be fahatany ny lalàna fotsiny. Tsy hitondra mankaiza, tsy hitondra lavitra ny firenena velively izany, n’inona n’inona fahaizana. Raha ilay vahoaka koa no tsy resy lahatra, dia mbola tantara iray hafa koa izany.