Filoha Ravalomanana – Mbola tsy nisy nahavita ny vitany amin’ny fanampiana ny tantsaha

Ny filoha Marc Ravalomanana, niara-nihosina tamin’ny tantsaha tamin’izany fotoana izany, ho fampiroboroboana ny voka-bary

Isambilo

Raha ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra sy tantsaha hatreto eto Madagasikara, mbola tsy nisy nahavita ny vitan’ny Filoha Marc Ravalomanana.

Tamin’ny fotoana nitondrany, ka hatramin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany, tsy nitsahatra nisonga ny voka-bary teto Madagasikara, efa nanakaiky tamin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ara-bary aza ny nosintsika tamin’izany.

Ny filoha Marc Ravalomanana dia anisan’ny nanampy betsaka ireo tantsaha fony izy teo amin’ny fitondrana. Hatreto dia tsy mbola nisy nahavita ny vitany tamin’ireo tantsaha maro eran’i Madagasikara. Nanampy ara-pitaovana: ragiragy, traktera,… sy ara-masom-boly sy zezika izy; nampanao fifaninanana ihany koa ny tantsaha, izay nahazoana vary aman-taoniny maro.

Hatramin’izao, mbola tsy tratra ny voka-bary teto Madagasikara tamin’ny taona 2008 nitondran’i Dada, satria mbola latsaka ny vokatra tamin’izany no misy ankehitriny, noho ny politikam-pambolena tsy mahomby ataon’ny mpitondra ankehitriny.

(Sary: Ny filoha Marc Ravalomanana, niara-nihosina tamin’ny tantsaha tamin’izany fotoana izany, ho fampiroboroboana ny voka-bary)