Lavo ny andrarezina – Lasa Ramahafadrahona, mpanakanto, mpanentana fandaharana

Ramahafadrahona, mpanakanto, mpanentana fandaharana, nanao politika ihany koa

Stefa

Lavo ny andrarezina, izay no azo anambarana ny fahalasanan’ny zokibe mpanakanto sady mpanentana fandaharana tao amin’ny Radio Madagasikara, Ramafa, na Ramahafadrahona. Nandao ny tany omaly maraina teo amin’ny faha-82 taonany Ramafa, izay no fiantso azy ho an’ny namana sy olona akaiky ary mpiara-miasa taminy.

Nodimandry tao amin’ny Hopitaly HJRA i Rakotomahafadrahona Alphonse. Araka ny efa voalaza teo: mpanakanto namorona ny tarika Ramahafadrahona, Ramafa, mpanentana fandaharana tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy, na Radio Madagasikara koa izy hatramin’izao nahafatesany izao.

Mpikambana sy mpandray fisotroan-dronono ao amin’ny OMDA. Anisan’ireo hira nahafantaran’ny maro azy ny “Ity semboko ity”, “Raozy maria”, “Bakomanga”, “Vive l’amour”,… Nisy fotoana koa nanao politika Ramafa, izy no filohan’ny fikambanana politika “Baton Rouge” tamin’izany fotoana izany. Ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.

(Sary: Ramahafadrahona, mpanakanto, mpanentana fandaharana, nanao politika ihany koa)