EDITO 22 Septambra – Andro eran-tany – Tsy mbola miaina fandriampahalemana ny vahoaka

Sôh’son

Raha atao hoe milamina ny firenena, dia milamindamin-dratsy izany. Amin’ny ankapobeny, ho an’ny mpandinika ny fiainam-pirenena, dia tsy milamina ny firenena. Misy sy miasa ny mpitandro filaminana kanefa tsy mbola mitoetra ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Mbola mandry tsy lavo loha ny vahoaka Malagasy. Iaraha-mahita sy mahalala ary miaina ny fitaintainan-dava andro aman’alina ny mponina, na an-drenivohitra, na ambanivohitra. Any amin’ireo faritra mena hanjakan’ny asan-dahalo dia efa saika iainan’ireo mponina ny mandao ny trano fonenany ary matory any an-tsaha, na any an’ala rehefa tsy te-hahita loza.

Ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, dia niha-nirongatra ny tsy fandriampahalemana, manomboka amin’ny halabotry madinika izany, ka hatrany amin’ny asan-dahalo sy jiolahy mahatsiravina, izay tsy noeritreretina hisy tany amin’ny folo taona lasa tany. Miparitaka ny fitaovam-piadiana isan-karazany sy ny fanafihana maro samihafa. Nisy ny fanafarana fitaovam-piadiana nataon’izao mpitondra ankehitriny izao vao hiakatra teo amin’ny fitondrana izy, mba hiadiana amin’izany. Nanaovana fampisehoana”démonstration” be izany tamin’ny andro fetim-pirenena. Mazava loatra fa nafarana avy any ivelany izy ireny ary lafo vidy. Tsy fantatra aloha hatramin’izao ny vola sy ny firenena nividianana azy ireny. Hatreto, tsy mbola mandry fahalemana ny vahoaka.

Ankoatra ny tsy fandriampahalemana misy fampiasan-kery, dia eo ihany koa ny fiainana politika tsy milamina. Na dia nomena vahana hitondra ny firenena ao anaty fitoniana aza ny fitondrana ankehitriny, dia tsikaritra fa izy indray no rangory fototry ny afo, ka mahatonga ny toe-draharaha eto amin’ny firenena hafana. Eo ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra aminy, sy ny fampidirana am-ponja; ny fanaovana amboletra fanapahan-kevitra samihafa, izay hita izany na amin’ny fitantanana ny firenena manontolo, na ny mitranga eo anivon’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Tsy milamina ny raharaha.

Manginy fotsiny ny tsy filaminan’ny fizarana ny fanampiana ataon’ny fitondram-panjakana ho an’ireo marefo vokatry ny krizy ara-pahasalamana. Misy hatrany ireo tsy misitraka izany na dia tena ao anatin’ny tokony hahazo aza. Mbola lavitry ny afo ny kitay araka izany, raha ny momba ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Mahakasika izay, nankalazaina omaly 21 septambra ny andro eran-tany natokan’ny Firenena Mikambana (ONU) ho an’ny fandriampahalemana.