MBOLA MISY KOA RAKOTO…

Mbola misy koa Rakoto hotaterina eto anio,
Dia ilay mpitantana komity ambara fa tsy dia madio,
Satria dia tena nampanjaka ny hosoka sy ny hala-bato,
Ka tsy mendrika intsony f’efa tokony haato.

Fifidianana efa impiry no nandraisanao anjara,
Saingy indrisy re Rakoto, tsisy ny mangarahara!
Fa ny vokatra navoaka dia mazàna no tsy marina.
(Noho ilay “tsindry” sa ahoana fa dia be no namboamboarina!)

Ilay Rakoto anankiray moa dia tsy fantatra mazava
Na nametra-pialana na natao “veloma lava”.
Fa toa vetivety foana dia voailika, voakosoka.
(Asa! noho ny gidragidra tamin’ny « lisitra vorosoka »?)

…Ry Rakoto nofidiana, ry Rakoto notendrena,
Tena tonga ny fotoana tokony handinihan-tena.
Ka dia aoka tsy ho sodokam-bolabe sy fahefana,
Fa tandrovy re ny marina, ampiharo ny lalàna.

Ny “mizana tsindrian’ila”, tena tsara raha hialana,
Ry Rakoto samihafa, ambara fa mpahay lalàna.
‘Ndao ovàna ny tantara, mijoroa ho “olotsara”,
Dia ho tany tena sambatra ilay Madagasikara!

DADAN’i ZINA (18-09-20)