ANY IANAO RAKOTO IZAY…

E! izany mahatsiaro sy misaina irony lasana,
Vava anie ny anao Rakoto tao an’efitra fiandrasana!
Natsinkafonao ny loto sy ny zavatra tsy tsara.
(Toa ianao no ilay Mesia hanavotra an’i Gasikara!)

Noderaina ianao Rakoto, tena niaiky anao ‘zahay.
Ianao koa moa dia voakilasy ho mpampianatra mahay.
Ny sehatra mpanara-maso izay nandraisanao anjara,
Dia nalaza tamin’izany fa hanova ny tantara.

…Kanjo azonao ny seza, azonao ny fahefana,
Lasanao ny toerana avo, saingy tsisy fiovana
Fa vao mainka miharatsy ny tontolo izay jerena.
Ianao mihitsy ankehitriny no “henatry ny firenena”!

Indro ianao ilay avo vava, lasa moana tsy miteny,
Fa manaiky ny tsy mety izay miseho ombieny ombieny.
Ireo nokianinao taloha, ireo nolavinao fahiny,
Mahagaga fa nanjary nekenao ankehitriny!

Angamba menatra tanteraka ‘ty sehatra mpanara-maso,
Fa ny olony omaly, toa sakaizan’ny malaso.
Zary tena tsy ahitana na dia teny kely akory
Fa tanteraka ‘lay hoe: voky izy dia natory!

Ry Rakoto nandrandraina, ry nahazo fahefana,
Avereno i Gasikara mba ho tany tan-dalàna.
Fony ianao vao notendrena dia nitsofanay trompetra,
K’aza faly miara-komana amin’ny olona voretra.

Miverena, miverena ery an-toerana fiaingàna.
Asehoy f’ianao dia mendrika, tena hoe mpahay lalàna,
Ka ny soan’ny firenena no asandrato sy tadiavo,
Dia hidera anao ‘zahay Andriamatoa “mpitsara avo”!

DADAN’i ZINA (16-09-20)