Gadra politika 2002-2009 – Mialà ny CFM rehefa tsy mahavita ny asany amin’ny fanonerana

Ny tafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina

Sôh’son

Tsy afaka ny hangina intsony fa tsy maintsy miteny ireo gadra politika tamin’ny taona 2002 hatramin’ny 2009. Nisy ny tondrozotra sy lalàna nofaritana tamin’ny taona 2011 ny amin’ny hanatanterahana ny fandoavana ny onitra amin’izany ary ny Fanjakana no tsy afa-miàla amin’ny fandoavana ny ampahany amin’ny anjarany amin’izany, izay 30% , fa an’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena kosa ny 70%.

Efa fotoana ela no zary tsy nisy resaka io fitakian’ireo gadra politika, tao anatin’izay nisian’ny tondrozotra io. Ny antom-pisian’ny CFM na ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy dia hampihavana ny disadisa politika teto tamin’io vanim-potoana io ary indrindra hiandraikitra ny amin’izay hahavitana ny fanonerana ny onitra ho an’ireo lasibatra tao anatin’izany. Izy no tomponanadraikitra voalohany amin’ny fikarakarana izany. Maninona no tsy tanterahina ny lalàna fampiharana, hoy ireo mphay lalàna toa an’ny mpisolovava Olala na Razafinjatovo Willy sy ny Maître Noro? Tsy maintsy mandalo amin’ny CFM ny fampiharana ny lalàna sy ny fanatanterahana ny fanonerana ny onitra ho azy ireo. Tsy manao ny asany sy ny andraikiny ny CFM hatreto, fa nandrirarira fotsiny ihany ny momba azy ireo. Porofon’izany, efa nisy ny fanadihadiana natao ireo gadra politika efa ho in-telo miantoana, ary any amin’ny CFM ny antontan-taratasy na dosie momba ireo gadra politika ireo. Notsindrian’i Maître Noro, fa tokony hisy ny fampiharana ny lalàna ary efa ela, hatrany amin’ny taona 2011, izy ireo no nangataka izany. “ Izahay tsy manaiky, fa tsy maintsy mitaky ny zonay”, hoy izy.
Ny eritreritr’izy ireo, lasa hatrany amin’ny hoe: ny fitondrana mamela ho faty ireo olona ireo, ka tsy hivaky loha izay momba azy?, hoy ny Mpisolovava Olala.

Ny kolonely Behavana, dia nilaza, efa maro ny fivezivezena natao nampanaovin’ny CFM teny amin’ny Andrimpanjakana samihafa, ary efa lany fanahy izy ireo. Nohamafisiny ny amin’ny fanonerana takiany, ary mifanaraka tsara amin’ny lalàna, “ feuille de route” natao tamin’ny 2011, ny amin”izay hanoneran’ny fanjakana ireo voamafy (victime) izay.

Notsiahivina fa ny antom-pisian’ny CFM, dia noho ny toe-draharaha ara-politika tamin’ny taona 2009 izao. Ary ny voalohany amin’ny andraikiny, dia ny mikarakara ny fampihavanam-pirenena sy indrindra ny amin’ny fanonerana ireo gadra politika. Nohamahafisiny fa raha tsy hahavita ny andraikitra nankinina taminy ny CFM, ny iraka(mission), dia mametrà fialàna. Raha mahatsiaro tena ho tomponandraikitra izy ireo dia tsy maintsy manery ny Fanjakana, izay hampiditra izany ao anaty tetibolam-panjakna (Loi des Finances) amin’ny volana oktobra izao. Misy ny dingana amin’ny Tahirim-bola (FNS), izay misy dingana maromaro tsy maintsy atao ao, ka notakin’ireo gadra politika ny hamitàn’ny CFM ny anjarany ao anatin’izany. Avy amin’ny fahavitany mantsy no hirosoana amin’ireo dingana vitsivitsy sisa takiana amin’ny Fanjakana handoavany ny anjarany, izay tsy misy afa-tsy 30% monja fa an’ny Fiavanakiaviambe iraisam-pirenena ny 70%, ary efa vonona amin’izany izy ireo, fa miandry ny Fanjakana Malagasy fotsiny, ary efa hatramin’ny ela io fiandrasany io.

Marihina, fa hiantsoantso sy hitabataba hatrany ireo gadra politika ireo raha tsy tanteraka ny fanonerana azy ireo.