C.F.M Analamanga – Ny rafi-piarahamonina Kianja no antoky ny famokarana amin’ny fampihavanana

Rafitra « kianja » eny ifotony

Franck Razakambelo

Ny « Kianja » dia rafi-piarahamonina iray ahafahan’ny vahoaka mifampitondra sy mifampifehy, izay mifameno amin’ny rafi-pandaminana Loharano sy ny rafi-pitondram-panjakana eny anivon’ny Fokontany. Io no loha-hevitra nifampidinihan’ny mpikambana eo anivon’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena faritra Analamanga, izay tarihin’Andriamatoa Ramamimampionona Gerard, niaraka tamin’ny Ben’ny tanàna sy ny vahoaka tao amin’ny Kaominina Arivonimamo ny fiandohan’ity herinandro ity. Nilaza ny filoha lefitry ny Cfm, fa ny fampiharana ny rafitra« Kianja » dia mampivoatra ny toekarena, ny sosialy, ny fandriampahalemana ary ny fiainan’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fisian’ny Politika madio, izay mifototra amin’ny fitantanana mangarahara amin’ny lafiny rehetra ary tarihin’ny mpitondra mahay no sady mipetraka ho Ray amandreny tsy manavakavaka olona.

Nanohy fanazavana Andriamatoa Ramamimampionona Gerard, fa ny « Kianja », toerana iray ivorian’ny Fokonolona isaky ny vohitra na tanàna, na Fokontany ary ny rafitra « Kianja » dia rafi-panabeazana, izay mametraka ny olona tsirairay amin’ny andraikiny mifanandrify azy ary mifanaraka amin’ny tombontsoany, ohatra: ny fisian’ny Olon-dehibe mpitarika no sady to-teny iray, ny tompon’andraikitry ny tanora, ny fisian’ny olona misahana ny zaza sy ny sisa…

Ny faharoa, nilaza ity tompon’andraikitra ao amin’ny Cfm ity, fa ny rafitra «Kianja » dia fitaovana iray entina miasa mba hahafahan’ny fiarahamonina mamokatra sy manatanteraka tetik’asa eny ifotony. Ary ny fahatelo dia fitaovana iray hahafahana mametraka fandriampahalemana ny « Kianja », amin’ny alalan’ny fisian’ny fanarahamaso ny olona mivezivezy eny anivon’ny fiarahamonina, fifanakalozam-baovao sy fifampitan-kafatra. Nilaza izy, fa misoroka amin’ny fisian’ny adi-tany sy ny disadisam-piarahamonina ary manafaingana ny raharaham-pokontany ny rafitra « Kianja ». Efa nahitam-bokatra tsara tao amin’ny Kaominina Andriambilany distrikan’ i Arivonimamo ny fampiharana ny rafi-piarahamonina « Kianja » ary haparitaka any amin’ireo Kaominina mandrafitra ny faritra Analamanga izany raha misy ny finiavana ho an’ny Mpitantana.

Namarana ny fanehoan-keviny ny filoha Lefitry Cfm, fa tsy voatery hiainga avy any ambony foana ny fanorenana ny firenena, noho izany azo atao no manatanteraka izany fanorenana izany amin’ny alalan’ny fametrahana famokarana anaty fihavanana miainga avy any amin’ny vondrom-bahoaka ifotony. Tsiahivina fa efa nisy ny fihaonana niarahan’ny Cfm Alamanga niaraka tamin’ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny faritra Analamanga ny volana Janoary 2020 lasa teo, izay nandinihina ny lohahevitra hoe: « Ny soa toavina entina mitantana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka », mba hahafahana manabe, mifampifehy, mifanentana ary miady amin’nykolikoly.