Tsy feno ny mpifidy – Fifidianana tsy ara-dalàna ny fifidianana Loholona hoy ny RMDM

Rajo

Nahitsy ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), nandritry ny fihaonana notanterahin’izy ireo ny faran’ny herinandro lasa teo, fa tsy manaja lalàna io fifidianana tadiavin’ny fitondram-panjakana ho tantehina amin’ny 11 desambra ho avy izao io, ka tokony hatsahatra mihitsy . Fangatahan’izy ireo ny fandravana ny mpikambana eo anivon’ny Ceni aloha, satria avy taminy avokoa ny fifidianana feno hosoka sy hala-bato teto Madagasikara, tao anatin’izay fifidianana nifandimby teto izay.

Hentitra ny pasitera Edouard Tsarahame, fa fifidianana terena miharo ankolaka pôlitika io, ka tokony hajanona avy hatrany. Mbola nanamafy izany koa ny solombavambahoaka voafidy tao atsimondrano, Alain Ratsimbazafy, fa tokony ny fifidinana ben’ny tanàna tamin’ireo kaominina tsy mbola manana izany aloha no tokony hatao vao miroso amin’izany fifidianana loholona izany. Very zo mantsy hoy izy ny malagasy mpifidy vaventy tokony hifidy raha izao no ataon’ny fanjakana.

Na ny teo anivon’ny Ceni tamin’ny alàlan’ny mpitondra teniny, Fano Rakotondrazaka aza dia nilaza fa tsy voahaja ny lalàna amin’io fifidianana loholona io satria tokony ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ireo kaominina tsy mbola manana aloha no hatao vao miroso amin’ny fifidianana loholona.

Tsy mbola fantatra mantsy hatreto ny daty hanatanterahana izany fifidianana ben’ny tanàna izany. Hatreto anefa dia tsy mihemotra amin’ny teniny ny fitondram-panjakana, fa ho tanterahina amin’ny 11 desambra ihany ny fifidianana loholona na dia tsy manara–dalàna aza.