Antananarivo Renivohitra – Tsy afak’i Vazahabe ny fako, tsy vita ny lalana simba

Helisoa

Tao anatin’ny andro maromaro izao dia miparitaka eto Antananarivo Renivohitra ny fako be mivangongo, hita fa tsy afak’i Vazahabe sy ny ekipany ny fako, nefa efa samy mpiara-dia amin’ny fitondrana avokoa ankehitriny na ny kaominina (CUA), na ny Samva. Mbola tsy tonga akory ny volana fiakaran’ireo voankazo isan-karazany dia efa tsy voaraokan’ny ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina sahady ny fako, mainka fa rehefa avy ny orana tsy asa fotsiny?

Raha ny tokony ho izy, tsy tokony hisy olana intsony ny fanesorana ny fako eto Antananarivo Renivohitra, satria efa mitovy tadin-dokanga sy mitovy loko ny SAMVA sy ny CUA araka ny voalaza teo. Tamin’ny fitondràn’ny ben’ny Tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana dia ny mifanohitra amin’izany no niseho, fa amin’ny maha-mpitondra ny Tanàna azy dia tsy maintsy nitady vahaolana izy nanadiovana ny Tanàna na tsy nahazo ireo fanampiana tokony ho azon’ny kaominina Antananarivo renivohitra avy amin’ny fitondràna foibe aza.

Ankehitriny, gaga ny rehetra fa toa mbola miaina ao anaty loto ny tanànan’Antananarivo, na efa nampilendalendaina kamiao sy dabam-pako aza tamin’ny fampielen-kevitra ny mpitondra ankehitriny. Sa tetika hakana ny fon’ny olona tamin’ny propagandy fotsiny ireny tamin’ilay fampanantenana hoe: ‘tsy maintsy madio ny tanànantsika’ ? tsy izay anefa no miseho fa ny mifanohitra amin’izany no miseho amin’izao fitondràn’ny ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina izao, toy lasa toy izao ilay filamatra hoe: “ny tanànantsika lasa maloto”.

Ny lalana samba feno lavadavaka hatramin’izao tsy vita, nolavahana izy ireny efa ho iray volana izao, nefa tsy vita fa mijanona eo fotsiny ary mampijaly ny mpitondra fiarakodia, miteraka fitohanana lavareny. Ny toeram-pivarotana Zay Maika etsy Analakely, simba efa volana maromaro, mbola tsy azo ampiasaina hatramin’izao. Tena tsy Zay Maika intsony ity fitondran’i Vazahabe an’Antananarivo ity fa Zay Mitarazoka.