Lemak’i Betsimitatatra – Nanampy ireo tantsaha nanetsa ny depiote Todisoa A.

Isambilo

Ny depiote avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ao amin’ny Boriboritany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra dia miara-mihosina sy manampy ny tantsaha hatrany ao amin’ny fari-piadidiana nahavoafidy azy. Sady mirotsaka an-tsehatra no mamaha ny olan’ny tantsaha ity olom-boafidy ity, tsy mijanona fotsiny eny amin’ny Lapa izy, fa midina ifotony manampy ara-pitaovana sy ara-bola ireo tantsaha eny Ambohimanarina sy ny manodidina. Mandray anjara mavitrika amin’ny asa fitarihana ny rano manondraka ny tanimbary koa izy. Vary sy rano ny depiote Todisoa sy ny tantsaha, ka an-tanàna tsy mifanary, an-tsaha tsy mifandao.

Fotoana fanetsena amin’izao fotoana eny amin’ny lemak’i Betsimitatatra iray manontolo, koa mitsodrano ny rehetra ny solombavambahoaka Todisoa, hamboly hahavokatra, ho lavitry ny loza ny fambolena ary hotahin’ny Tompo ny asa rehetra.

(Sary FB Andriamampandry Todisoa – Depiote Todisoa, miara-miasa amin’ireo tantsaha ao amin’ny Boriboritany faha-6 Antananarivo)