RMDM – Gaby VAMI – Tokony ho feno aloha ireo mpifidy vaventy vao hatao ny fifidianana senatera

Helisoa

Maneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ny mpikambana ao amin’ny RMDM, Gaby Vakiniadiana, na Gaby VAMI, na Vahoaka Miray ihany koa. Misy ny milaza indray eny amin’ny tambazotran-tserasera sosialy hoy izy, fa vaky roa ny RMDM. Tsy asiana resaka be io hoy Gaby, fa efa enim-bolana lasa izay no nisy nisintaka tao anatin’ny vondron’ny mpanohitra RMDM, fa tsy mampioava inona izany teo amin’ny lafiny fitantanana ny fanoherana eto Madagasikara, izay ny filoha Marc Ravalomanana no filohany. Fomba fiady handemena ny saina izany hoy izy, ka tsy atao mahagaga. Mpanohitra fanjakàna izao no tokony hisy raha ny tena lojika, fa tsy mpanohitra ny mpanohitra.

Fa mikasika ny fikasàn’ny fitondràna TGV hanao fifidianana senatera dia nanambara i Gaby Vakiniadiana, fa tsy manaiky fifidianana hatao ao anatin’ny tsy ara-dalàna izy ireo. Tokony ho feno aloha ireo mpifidy vaventy tokony hiatrika io fifidianana io. Mbola maro ny kaominina tsy manana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Ny lehiben’ny faritra olona tendrena fa tsy voafidy, nefa ireo tokony hifidy daholo. Tsy kajy politika toy izany no hitondràna ny firenena sy hamonoana vahoaka hoy ity mpanao politika ity. Sa kosa tetika tsy hisian’ny mpanohitra ao amin’ny Antenierandoholona no antony hanaovana amboletra ny fifidianana amin’izay, izay lalàna rehetra handalo dia handeha ho azy avokoa.