RMDM – Ramamonjisoa Regis – Mety hiafarana amin’ny fidinana an-dalambe ny raharaham-pirenena

Franck Razakambelo

Manahy ny fisian’ny korontana ara-tsosialy eto amin’ny firenena Andriamatoa Ramamonjisoa Regis, Filoha Lefitry ny vondron’antoko RMDM faritra Mahajanga, manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena.

Manoloana ny kabarin’ny Filoham-pirenena farany teo, nilaza ity farany, fa tsy misy fepetra hentitra apetraky ny fitondrana manoloana ny fisokafan’ny lalam-pirenena rehetra nanomboka tamin’ny 11 Septambra, kanefa miakatra ny tahan’ny Coronavirus any amin’ireo faritra sasantsasany, izay voakasiky ny fisokafana. Nanohy fanazavana ity mpanao Politika ity, fa nosokafan’ny Filoham-pirenena ireo toerana fanaovana fampisehoana rehetra kanefa ferana ho 100 fotsiny ny olona mivavaka ao amin’ny Fiangonana ary ny mpampalahelo hoy ity mpanao politika ity dia tsy mahazo manao fandraisana ny mpino, kanefa ireo toeram-pisotroana izay misy vera ifandimbiasana aza dia malalaka tsara. Nanohy nanazava izy, fa tsy misitraka ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny ankabeazan’ny mponina any amin’ny faritra kanefa ireto farany dia voakasiky ny fiantraikan’ny fihibohana koa no sady nampandany ny filoham-pirenena nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo.

Manahy ny fisian’ny fidinana an-dalambe Andriamatoa Ramamonjiosa Regis, satria betsaka ny trangana fandikan-dalàna, ao anatin’izany ny fanomezan’ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana (HCC) vahana ny Mpitondra Fanjakana, izay mandika ny Lalam-panorenana. Voaresaka ao anatin’zany fandikana lalàna izany hoy ity mpanao Politika ity, ny fankatoavan’ny Fitsarana avo momban’ny Lalam-panorenana ny fanatanterahana ny fifidianana Loholon’ i Madagasikara kanefa dia fanapahan-kevitra nolaniana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Parlementera roa tonta, izay tsy misy fankatoavan’ny mpikambana ao amin’ny kaomisionina itambarana(Commision mixte Paritaire).

Nanohy fanazavana ny Filoha lefitry ny RMDM, fa iharan’ny sazy avy hatrany raha misy olon-tsotra mandika ny lalàna kanefa tsy azo saziana mihitsy ireto lehiben’ny Andriampanjakana izay manitsakitsaka ny Lalam-panorenana ireto.

Ankoatra izany, nilaza Andriamatoa Ramamonjisoa Regis, fa mirotoroto hanatanteraka fifidianana ny fitondram-panajakana kanefa latsaka an-katerena ny firenena ary mbola tsy voavahan’ireto farany ny olana ara-pahasalamana sy toe-karena ary sosialim-bahoaka.

Namarana ny fanehoan-keviny ity mpanao Politika ity, fa betsaka ireo Orin’asa tsy mandoa hetra sy tsy manara-dalàna eto Madagasikara ary raha ny tsy fandoavana hetra no anasaziana Orin’asa dia betsaka ny Malagasy mitsahatra amin’ny asany, noho izany tokony hisy fitsinjovana ny mpiasa Malagasy ataon’ny fitondram-panjakana amin’izao fihibohana izao, satria mamelona vady aman-janaka avokoa ireo mpiasan’ny Orin’asa ireo.