Fitondrana Rajoelina – Manosihosy ny zo aman-kasin’ny fokonolona hoy ny KMSI

Ireo avy amin’ny KMSI, tetsy amin’ny Lapa Maitso Anosikely

Isambilo

Nitsangana tao anatin’ny vanimpotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana ny « Komity Miaro ny Soa Iombonana » (KMSI), noho ny fitarainan’ny fokonolona momba ny tsy fanarahana ny rafitra misy eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany. Mahatsapa ny komity fa mandeha ila ny zava-misy amin’izao fotoana izao, ka tsara ifampiresahana. Noho izany dia tonga nitondra ny fitarainan’ny vahoaka eny anivon’ny fokontany tao anivon’ny Antenimierandoholona izany komity izany tamin’ity herinandro ity.

Solontena avy amin’ireo boriboritany misy eto Antananarivo Renivohitra izy ireo, tonga nitondra ny hetahetan’ny vahoaka amin’ireo Loholon’i Madagasikara amin’ny maha solontena ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ity farany. Ny tanjon’ny komity dia ny mba hisian’ny tena fampandrosoana eny anivon’ny fokontany, ka amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra ny fokonolona no ahafahana manatanteraka izany.

Nambaran’izy ireo, fa mihamafy ny fanilikilihana na mivantana na ankolaka mihàtra amin’ny vahoaka ankehitriny, ka mety hihafara amin’ny korontana sy ny ady an-trano izany raha mbola mitohy. Misy ny fanosihosena ny zo aman-kasin’ny fokonolona, potika ny fihavanana malagasy. Ny fokonolona no mahafantatra tsara ny zava-misy eny amin’ny fokontany tsirairay avy, ka ny fampandrosoana izany fokontany izany no tokony himasoan’ny mpitondra Fanjakana. Ny fananana hevitra tokana dia tsy mampisy ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana.

Manolona izany dia mangataka izy ireo ny:
– hamerenana ny hasin’ny fokonolona amin’ny alalan’ny fanaovana fifidianana mivantana ny Filohan’ny fokontany. Ny fokontany, hoy hatrany izy ireo, no kitro ifaharan’ny fandriampahalemana sy ny sosialim-bahoaka, ary ny fokonolona no fototra iorenan’ny fanjakana tan-dalàna;
– Hamerenana ny hasin’ny fanaovana politika;
– Hisian’ny fitsinjarana isam-paritra ho fanajana ny fisaraham-pahefana.

Ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO teo ampandraisana fitenenana dia nilaza fa ilaina ny fifampihainoana, fiadian-kevitra sy ny fifampierana na tsy mitovy hevitra aza ary tokony hatao ao anatin’ny ara-dalàna izany. Adidin’ny mpanao politika hoy izy ny mijoro ary manankina ny tsy fanarahan-dalàna eto amin’ny firenena satria tsy misy ambonin’ny lalàna izany isika na dia iray aza.

Ny Filohan’ny vaomieran’ny lalàna, asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny Loholon’i Madagasikara RAKOTOVAZAHA Olivier dia nanome toky, fa ny Antenimierandoholona dia hijery ny fomba handrafetana ireo hetaheta ireo ho lalàna ary vonona ny hifanampy sy hiara-hiasa amin’izany komity izany.

Teo ampamaranana ny fihaonana dia nambaran’ireo mpikambana ao amin’ny KMSI, fa hitarina hatrany amin’ny faritra ny fananganana ity Komity ity ary hatsangana ihany koa ny fivondronamben’ny Mpanolo-tsaina kaominaly manerana an’i Madagasikara, hiara-hiasa ho famerenana ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia, ary ny fanjakana tsara tantana.