CSB II Ambohitrimanjaka – Hahazo trano vaovao fandraisana mpiteraka avy amin’ny Soleil Marmailles La Réunion

Aly

Hahazo trano vaovao fandraisana mpiteraka sy ireo mpanaraka azy ny toeram-pitsaboana CSB II eny amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo, faritra Analamanga. Napetraka tamin’ny fomba ofisialy afak’omaly ny vato fototry ny fanamboarana izany trano izany, izay mirefy 11 m x 3 m, hisy efitra 3 sy lakozia iray. Vola mitentina hatrany amin’ny 16 tapitrisa Ar mahery no hanatanterahana izao foto-drafitrasa ara-pahasalamana izao, fiaraha-miasan’ny kaominina Ambohitrimanjaka, sy ny fikambanana Soleil Marmailles atsy amin’ny Nosy La Réunion, tarihan’ny dokotera Sylvie sy Tiana Razafintsalama, izay zanak’Ambohitrimanjaka ihany koa.

Efa nisy trano fandraisana mpiteraka sy ny mpanaraka azy ihany teo aloha tao amin’ity toeram-pitsaboana ity, saika efa antitra ny foto-drafitrasa dia izao noravana izao ary hananganana vaovao. Kendrena ho vita ato anatin’ny 2 volana ny asa. Ny faharatsian’ny foto-drafitrasa teo aloha dia anisan’ny maha-vitsy ny mpiteraka ao amin’ity CSB II ity, ny hahazoana izao trano vaovao izao dia hampitombo ireo mpiteraka, hoy ny ben’ny tanàna Randriamanalintsoa Ihajason. Rehefa vita ny trano dia mbola hamatsy fitaovana izany ny fikambanana Soleil Marmailles La Réunion hoy ny solontenany eto Madagasikara, Zo Rarivoson.

(Sary) Fametrahana vato fototra teny amin’ny CSB II Ambohitrimanjaka ny alakamisy teo.