INONA ÀRY NO IDIRANY ?

Maro ny olona sorena fa toa tsisy tsy idirany
Na ny seha-pampianarana na ny seha-pivavahana.
Lalan-kevitra efa diso, izay no mbola ifikirany,
Tena tapitra tsabahany mba hoentiny hidedahana.

Fandaminana fiangonana, (sady tsy azy no tsy hainy)
Dia toa ahitany teny izay mitory fitsabahana.
Moa ve misy ny tsy tiany, misy ve ny ankahalainy,
Sa manelingelina azy ireo mpitondra fivavahana?

Ireo mpitantana orinasa, hatramin’ny olon’ny fiangonana
Dia mandray ny fitsabahana ho toy ny tsy fifanajana.
“Inona àry no idirany”, hoy ny teny izay niombonana,
Samy hafa ny “tsy miankina” sy ny “an’ny fanjakana”.

Koa dia mahalasa saina raha hitohy ity fitsabahana.
Mbetika izy no “marary”, mbetika no “dokotera”.
Mety hatraiza re no fetran’ito atao hoe “fidedahana”,
Fa ny lalitra no tia mitsabatsabaka tsy miera!

DADAN’I ZINA (11-09-20)