Transparency International – Kolikoly amin’ny fanaovana pasipaoro biômetrika eto Madagasikara

Ny Valosoa

Nisy ny fanehoan-kevitra manoloana ny tranga kolikoly ahiana, amin’ny fanomezana tsenambarom-panjakana eo amin’ny fanaovana pasipaoro biometrika malagasy ho an’ny orinasa SEMLEX. Ny 9 septambra teo, ny OCCRP : Organized Crime and Corruption Reporting Project, izay vondrona iraisam-pirenena manambatra mpanao gazety mpanatsikafona ary mpiara-miasa amin’ny Transparency International ao anatin’ny hetsika “Global Anti-Corruption Consortium” (GACC) dia namoaka lahatsoratra amin’ny teny anglisy mitondra ny lohateny hoe “Belgian Passport-Maker Paid Bribes to Win Madagascar Contract”(1), adika malalaka amin’ny hoe : “Orinasa belza mpanambotra pasipaoro, nanao kolikoly goavana ahazoana tsena eto Madagasikara”.

Amin’ny antsipiriany sy amin’ny fomba tena feno tanteraka no anehoan’ity lahatsoratra ity ny fomba nahazoan’ilay orinasa belza antsoina hoe SEMLEX ny fifanarahana ahazoana manamboatra ny pasipaoro biometrika ho an’ny Fanjakana Malagasy. Navaozina tamin’ny taona 2013 ity fifanarahana, ka niampy folo taona indray.

Raha ny ambaran’ity lahatsoratra ity hatrany, vola mitentina hatrany amin’ny 120 000€ – na 540 tapitrisa ariary – no heverina fa nomen’ny orinasa SEMLEX, ho an’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Filaminam-bahoaka (2), tompon-toerana tamin’ny 2006, sady isan’ireo mpanao sonia an’ilay fifanarahana . Marihana fa tamin’ny alalan’ny fivoahan’ny fifampieresahana anatiny tao amin’ny SEMLEX no nahazoana izany raki-baovao izany.
Raha arak’io lahatsoratra io ihany, nanatona mpisehatra politika hafa ihany koa ny orinasa SEMLEX, isan’izany ny Ministry ny Raharahambahiny (3) tompon-toerana tamin’ny 2010 sy 2011, mba hahazoana fifanarahana manao asam-panjakana sy tombontsoa hafa ho takalon’ny fanohanana azy ara-politika.

Ireo tranga mitsikafona ireo dia manosika ny tompon’andraikitra handray ny andraikiny:
• Amin’ny Fahefana mahefa, indrindra ny BIANCO sy ny SAMIFIN, mba hanatanteraka fanadihadihana momba ny fahamarinan’ireo tranga mitsikafona voalaza ireo ;
• Amin’ny Fahefana Avo momba ny Lalampanorenana, mba hitsara araka ny fahefana omen’ny Lalampanorenana azy, sy ao anatin’ny tsy fitongilanana sy fahendrena tanteraka ireo tranga kolikoly mahatafiditra mpisehatra politika ireo;
• Amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, mba hanazava ny antony anomezana ilay fahafahana mamokatra pasipaoro biometrika ho an’ny orinasa SEMLEX, sy ny fepetram-panavaozana izany tamin’ny 2013. Marihana fa zon’ny olompirenena ny mahita ny votoatin’izany fifanarahana izany, ka tokony havoaka tsy misy hatak’andro.

Manolo-kevitra izy ireo ny mba hiverenan’ny manam-pahefana isan-tokony, na ny mpanatanteraka na ny mpanao lalàna, jerena ny antony mampitombina ny fiantsoana orinasa ivelany hanantanteraka asa fototra tokony ho ataon’ny Fanjakana, toy ny famokarana pasipaoro ho an’ny olompirenena Malagasy.

Tokony ho tanterahana araka izay haingana indrindra ihany koa, ny fitsirihana tsy mitanila momba ny fepetra fanaovana fifanarahana rehetra mahakasika ny antontan-taratasin’ olompirenena.

Ary farany, manoloana ny fiampiangana misesisesy mahatafiditra mpitondra ambony amin’ny raharaha kolikoly dia heverina ihany koa fa ilaina ny fanamafisana ny fanarahamaso sy ny fijerena akaiky ireo raharaha momba ny tsenambaro-panjakana.

Noho izany, hoy ny lahatsoratra, laharampahamehana ny fanamafisana ireo rafitra rehetra mpanara-maso ny volam-panjakana sy ny rafitra misehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly, na amin’ny lafiny loharanonkarena izany na eo amin’ny fanatanterahan’andraikitra. Na oviana na oviana, ny fananana andrim-panjakana matanjaka sy mahaleotena miady amin’ny kolikoly no antoka hahafahana miady amin’ity fahalovana eto amin’ny firenena ity. Isan’ny manana andraikitra goavana indrindra amin’izany ny Fitsarana momba ny Ady amin’ny kolikoly (PAC), ka tokony ho tandrovana sy tohanana ary hamafisina izany.

Mifanohitra amin’izany koa, ny eritreritra rehetra mety hanaisotra ny fahaleovantenan’ny Fitsarana momba ny Ady amin’ny Kolikoly sy ny rafi-panjakana rehetra misehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly dia loza mitatao ho an’ireo vondrona mahefa miady amin’ny kolikoly, rehefa hiatrika raharaha maloto toy ny lazain’ilay lahatsoratry ny OCCRP ity, indrindra fa misy mpitondra ambony tafiditra amin’ny raharaha toy izao.

(1) “Belgian Passport-Maker Paid Bribes to Win Madagascar Contract”, by Edward Maintikely and OCCRP, 9 September 2020

‘https://www.occrp.org/en/biometric-bribery-semlex/belgian-passport-maker-paid-bribes-to-win-madagascar-contract

(2) Lucien Victor Razakanirina

(3) Hyppolite Rarison Ramaroson